Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
100 %
Derniers commentaires
- lé kopé : Une dictature qui n’a rien à envier à ...celle de La Corée du Nord (...)
- Saint-Jo : 24 avril à 10:14 , Isandra (7070) C’est vrai, les humains à l’instar de ses (...)
- lé kopé : C’est une méthode de fin de règne (mandrovitsihy)).
- lé kopé : Vous aviez oublié Ninie Donia , morte en prison , comme Navalny . C’est (...)
- Turping : Il ne faut pas se focaliser uniquement sur la diminution des affaires de (...)
Archives
" 2 juillet à 12:38 | lysnorine (#9752)
" ao amin’ny : « Olivier Mahafaly a des comptes à régler »
« Hoy i »
" loulou (#10109), 30 juin à 11:46,
https://www.madagascar-tribune.com/Olivier-Mahafaly-a-des-comptes-a,24001.html
Dia hoy kosa aho hoe :
Tsy ny hevitr’ity taikiringy mihevitra ny Gasy ho dondrona noho ny chimpanzé ity akory no tiana ho tsindriana , fa ity andalana manaraka nosoratan’i lysnorine ity .
Hoy lysnorine hoe :
« Raha ny hevitray manokana aloha, dia tokony mandoa hetra isan-dahy, isam-batan’olona, isan-taona, mitentina US1500 eo ho eo, ny olon-kafa-firenena rehetra tsy misy avakavaka izay mipetraka eto Madagasikara. Koa izay tsy mahazaka izany, dia miala eto Madagasikara, tsy mahazo mipetraka eto intsony. »
Toy izao no fahitako azy manokana :
Tokony handoa hetra isan-taona daholo
a) ny vatan-dehilahy rehetra monina eto antoerana , manomboka amin’ny andro ahatongavany taona , ka hatramin’ny andro handehanany hisotro ronono [amiko manokana dia fahadisoana iny fanafoanana ny hetra isan-dahy nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa iny] .
b) ny vehivavy mandray karama isam-bolana koa tokony handoa hetra isan-taona .
c) momba ireo vahiny monina eto antoerana indray , dia iombonako io hevitra aroson’i lysnorine io .
Saingy tsy tokony ho ferana amin’ny vatan-dehilahy fotsiny , fa tokony hapiharina amin’ireo vahiny vehivavy mandray karama isam-bolana koa .
Ny $ 1500 aroson’i lysnorine no tokony iadian-kevitra .
d) Izay vahiny tsy manaiky izay dia tokony hiala teto .
Tsy misy olana mihitsy ny amin’izay .