Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 22h10
 

Répondre à un commentaire

2 juillet 2018 à 14:58 | lysnorine (#9752)

@ arsonist (#10169) 2 juillet à 13:24
« a) ny vatan-dehilahy rehetra monina eto antoerana , manomboka amin’ny andro ahatongavany taona, ka hatramin’ny andro handehanany hisotro ronono [amiko manokana dia fahadisoana iny fanafoanana ny hetra isan-dahy nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa iny] . »

Fanampiny : Ingahy Ratsiraka, ministry ny Raharaham-bahiny no nilaza fa izy no nanery ny governemantan’Itpkl.Ramanantsoa hanao io FAHADISOANA BE VAVA IO.

« c) momba ireo vahiny monina eto antoerana indray , dia iombonako io hevitra aroson’i lysnorine io .
« Saingy tsy tokony ho ferana amin’ny vatan-dehilahy fotsiny »

Fomba fiteny taty aoriana fotsiny ilay hoe « hetra isan-dahy » fa : « VIDIN’AINA » no filaza azy faha-Fanjakana Malagasy fahizay.
Nampianay rahateo hoe « ISAM-BATAN’OLONA » ilay « hetra isan-dahy », izany hoe tafiditra ao anatiny daholo ny olon-kafa firenena REHETRA mipetraka eto Madagasikara na LAHY na VAVY, na KELY na LEHIBE .

« Ny $ 1500 aroson’i lysnorine no tokony iadian-kevitra »

Ankoatry ny MASONKARENA amin’ny fanamboarana ny taratasin’ny OLON-KAFA FIRENENA, dia ilaina ny hisian’ny sampan-drahararam-panjakana manokana misahana ny FANARAHA-MASO ny maha-ara-dalàna ny FIPETRAHANY eto Madagasikara, sy ny raharaha ataony, sns., sns. tahaka ny any amin’ny tany hafa rehetra ihany.

SAINGY TSY AZO EKENA MIHITSY NY HOE : MBOLA NY HETRA KELY MIDITRA AO AMIN’NY KITAPOM-BOLAM-PANJAKANA INDRAY NO HANDOAVANA IZANY RAHARAHA MIKASIKA OLON-KAFA FIRENENA IZANY !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS