Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Répondre à un commentaire

2 juillet 2018 à 13:24 | arsonist (#10169)

" 2 juillet à 12:38 | lysnorine (#9752)


« Hoy i » loulou (#10109), 30 juin à 11:46,

" ao amin’ny : « Olivier Mahafaly a des comptes à régler »
https://www.madagascar-tribune.com/Olivier-Mahafaly-a-des-comptes-a,24001.html


Dia hoy aho hoe :
Tsy ny hevitr’ity taikiringy mihevitra ny Gasy ho dondrona noho ny chimpanzé ity akory no tiana ho tsindriana , fa ity andalana manaraka nosoratan’i lysnorine ity .

Hoy lysnorine hoe :
« Raha ny hevitray manokana aloha, dia tokony mandoa hetra isan-dahy, isam-batan’olona, isan-taona, mitentina US1500 eo ho eo, ny olon-kafa-firenena rehetra tsy misy avakavaka izay mipetraka eto Madagasikara. Koa izay tsy mahazaka izany, dia miala eto Madagasikara, tsy mahazo mipetraka eto intsony. »


Toy izao no fahitako azy manokana :
Tokony handoa hetra isan-taona daholo

a) ny vatan-dehilahy rehetra monina eto antoerana , manomboka amin’ny andro ahatongavany taona , ka hatramin’ny andro handehanany hisotro ronono [amiko manokana dia fahadisoana iny fanafoanana ny hetra isan-dahy nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa iny] .

b) ny vehivavy mandray karama isam-bolana koa tokony handoa hetra isan-taona .

c) momba ireo vahiny monina eto antoerana indray , dia iombonako io hevitra aroson’i lysnorine io .
Saingy tsy tokony ho ferana amin’ny vatan-dehilahy fotsiny , fa tokony hapiharina amin’ireo vahiny vehivavy mandray karama isam-bolana koa .
Ny $ 1500 aroson’i lysnorine no tokony iadian-kevitra .

d) Izay vahiny tsy manaiky izay dia tokony hiala teto .
Tsy misy olana mihitsy ny amin’izay .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS