Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Répondre à un commentaire

11 juin 2018 à 14:53 | Ibalitakely (#9342)

Ny tena OLANA GOAVANA VOALOHANY eto @ firenena dia ny mpanao lalàna mihintsy toy ny HCC no manitsakitsaka ny lalàna malagasy, ka rehefa mba mamoaka didim-pitsarana izay ahitana mpitory & toriana izy ohatra, dia sady tsy mifanandrify amin’izay fitoriana ny zavatra avoakany [filoha no notorian’ny depiote 73 & neken’ny HCC ny fisian’izany adisoana izany fa ny valiny dia ny PM & ny governemanta no miala, raha lazaina @ teny fohy dia hoe diso ianao fa esory ny praiministra !!] no mbola asiany fisalasalana ny fampiarana azy [omeny fotoana ny mpitory & ny toriana ifanaraka ara pôlitika]. Fa ny tena nahazendana ity HCC ity koa dia tsy ny mpifanandrina, dia ny mpitory & ny toriana, no asainy manao fifanarahana fa ankolafy hafa mihintsy satria antoko na filohan’antoko mihintsy no lasa nanendry PMn’ny marimaritra iraisana. Asa koa raha mbola manao ahoana ny governemanta hitsangana satria PM no marimaritra iraisana fa tsy governemanta mbola misy hvm. Ny olana goavana faharoa dia ny tsy henatra tsy taotra ny famitapitahana vahoaka mitaky ny FITSINJOVANA AZY [fandriam-pahalemana, risoriso, fananan-tany sns] ka hafa no lazain’ny vavan’ny mpandainga, hafa ny zavatra tanterahana. MBA ERITRERETO IHANY NY TARANAKA RY ZAREO.
I RAN koa ange ka ny CI no misitona ny sangany e, indrindra amin’izy & izao IEM izao izay tsy madadilady @ any ivelany, dia nasainy nanao ny tsy fanao. Aiza ka hoe nandefa lisitra inefatra ny MAPAR : voalohany nisy ny depiote 03 an’ny fanovana tsy neken’i RHM ; dia lisitra faharoa natolotry ny mapar mikaravato manga nisy an’i Maharanty-Joanita-Toto Lydia nolavin’i RAN ; dia lisitra fahatelo nisy an’i Rabotoarison Sylvain-Pierrot Rajaonarivelo-Paraina Auguste-Virapin fa nisy marimaritra iraisana. Tany @ fahefatra vao nisy … nitsaika ny toerana. Ny fantatra moa izany dia efa t@ 2009 ny CI no nampirantiranty karaoty teo anolohany apondra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS