Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 22h10
 

Répondre à un commentaire

16 mai 2018 à 11:30 | Ibalitakely (#9342)

Izaho indraidray mieritreritra, na mandritry ny fotoana misy korontana na tsia, hoe maninona raha eny @ ireny varavaran’ny biraom-panjakana rehetra ireny toy ny Fkt, kaomina, minisitera, paositra sns, & na eny @ ireny orinasa na miankina na tsy miankina ireny dia asiana peta-drindrina [A3 na A4 dia ampy] milaza & mampahatsiahy ny olon-drehetra ny eloka mateti-pitranga eto @ fiaraha-monina tsy tokony atao intsony. Izany dia atao karazana tabilao manambara ireo karazan’eloka voararan’ny lalàna velona ka mahavoa sazy. Izany fahadisoana izany izay tena fahita & fandre matetika na eo @ fiaraha-monina na koa eny @ commisariats de police/brigades de gendarmerie na eny @ fitsarana, tahaka ny fanompana na fikasian-tànana na fangalarana na fisolokiana na fanimbana zavatr’olona na fanaovana vola sandoka sns. Mety mba mampiena adalana miseho matetika izany & na any @ sekoly [CEG, lycées, universités ...] ihany koa aza dia efa azo asiana izany tabilao/filazana izany ho fanoroana dieny tanora ny olona mba tsy ho tratra ny ilay atao hoe « erreurs de jeunesse » izay mety hanimba ny ho aviny iray manontolo [aleo misoroka toy izay mitsabo].
Tsy dia mila fandaniana betsaka ny fanatanterahina izany fa ttsy A4 na A3 fotsiny ohatra misy tabilao ahitana iretsy karazan’eloka & ny sazy mety mifandraika amin’izany. & tahaka ny malaza fandre amin’izao fotoana hoe AOKA IZAY NY KOLIKOLY dia mba asiana koa hoe AOKA IZAY NY ADALANA TSY VOAHEVITRA. Ny an’Ibal’ moa mba eritreritra ihany rey olona !!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS