Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Répondre à un commentaire

1er décembre 2017 à 13:59 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

« Azo hametrahana fanantenana sy hitondra fahombiazana ho an’ny mpiara-belona ve ny fifidianana kinasa hotanterahana eto amin’ny Firenena ? »

Sarotra ny mitondra valinteny mahafapo sy lavitry ny tebiteby ary ahiahy amin’izany fanontaniana izany, toa raharaham-panjakana sarona anaty harato feno fandrika hoy ny sasany, toa fifandroritam-pahefana feno fitaka sy lavitry ny alaolana amin’ny ngidim-piainana andavanandro hoy ny maro. Ny tsy azo lavina nefa dia tsy maintsy hisy io fifidianana io satria ny mpiantsehatra rehetra dia mankamamy sy maniry ny hisitraka ny fahefana tsy refesimandidy hifehezana ny vahoaka sy ny harena sarobidy fonosin’i Gasikara avokoa.

Raha mbola manjavozavo sy rendrika anaty honahonan-kafetsena ary ny fehezandalàna hitantanana ny fifidianana hokinasa, ny fahantrana sy ny sondrombidim-piainana tsy mitsahatra misononoka, ny disadisam-piarahamonina isantsokajiny tsy hay fefena fa mitobaka, ny tsy fandriampahalemana mampikatotrano sy mitondra horohoro, dia inona ary no tokony hezahan’ny mpifidy hotopazamaso ?

tsotra ny torohevitro : dieny izao sahady dia efa tokony hitily sy hitsinjo ny olona heveriny ny tsirairay fa afaka hametrahany fitokisana hitrotro sy hivimbina ny hetahetany ka hampihiratra indray ny tsirimpanantenana izay efa levona sy rotika teo aminy.

Amiko dia ampy izay ary tokony hajanona amin’izay ny rafi-pisainana milaza hoe « ny prograna sy ny dinampiarahamonina hoentin’ny mpilatsaka hofidiana » no tokony hitarafana sy hametrahana ny safidy.

Ny programa izany dia ao anatin’ny iray volana monja dia voarafitra mirenty sy meva, voakaly sy vita rindrandamina ; rehefa tsara fiomanana sy manana finiavana madio sy fahavononana ny ny mpifaninana dia azo rafetina mora foana izany raha toa ka tena mahafantatra ny malagasy sy ny zotram-piainany izy.

Olona amin’izay jerena sy topazamaso ; tilio tsara ary diniho raha olombanona sy mendrika, olona manana tandrohasina azo antoka, olona mahafantatra tsara ny fahoriana sy ny vesatry ny tebiteby isampianakaviana, olona nobeazina sy voavolavola tao anatin’ny kolontsaina sy hasimpiarahamonina mifandrindra amin’ny fametrahankasina ny mahasarobidy ny « aina sy ny fanahy ». Io olona io tiliana sy zohina ary omeo tantsoroka.

Fadio amin’izay ny mametraka fahatokisana amin’ny olona mampanantena anao fa :
- hampidina ny vidin’entana sy hanome toky anao fa hihinana sy ho voky ianao
- hanamboatra làlana sy tetezana ary hanangana tohadrano sesehena ho anao
- hanangana tobimpahasalamana hitsinjo ny fahasalamanao
- hanangana orinasa sy milaza fa mahita famatsiambola hanorenana toekarena mivoatra sy maharitra
- hametraka filaminana sy hanafoana ny asandahalo isantsokajiny

Ny olona manao ireo fampanantenana ireo dia mpanao angoantenda sy mpamitaka ary mpisoloky safidimbahoaka, mpijirika harena iombonana sy mpanao hevipetsy, mpivarobava sy mpamatsy hosoka. Tsy manana sy tsy mahita akory làlana sy hevitra entina hitondrana fiovana eto amin’ny Firenena afatsy ny fivarotana ambongadiny ny tanindrazana ho takalon’ny hambo sy ny filany izy. Tsy manana atolotra afatsy ny resaka mpamatsy vola izy.

Jereo sy banjino ny olona vanona sy mendrika ary manana fahasahiana milaza :
- manao fanambarana ampahibemaso ny faripananany sy ny fototra niavian’izany
- manambady tokana ary mametraka fa ny lahy sy ny vavy no fototra hiorenan’ny fianakaviana
- tsy mbola nigadra ary tsy mbola voarohirohy tamin’ny heloka bevava na nohafahana vokatry ny fisalasalana
- tsy manana harena be miavosa norantovina nandritry ny vanimpotoana nitantanana raharaham-panjakana
- ny solombavambahoaka dia tsy mpanangana fotodrafitrasa fa mpanao lalàna sy mpanaramaso ny fandehan’ny raharaham-panjakana
- tsy hametraka Praiminisitra lehiben’ny governemanta fa izy tenany no tompomarika feno sy tanteraka amin’ny vokatrin’ny fitantanany ny Firenena
- tsy hametraka rafipitsarana manokana hitsara ny mpitondra fa manaiky ampahibemaso ny hotsaraina amin’ny ambaratongam-pitsarana natao ho an’ny olontsotra
- hampanao fanambaram-pananana ampahibemaso ny mpikambana amin’ny andrimpanjakana rehetra eto amin’ny Repobilika sy ny mpiasampanjakana ambony manana fanapahana

Izay olona mahafeno ireo fepetra nosoritako etsy ambony ireo no heveriko fa tokon’ny holofosan’ny mpifidy ny fitiliana azy dieny izao, torohevitra ihany ny ahy io.
Marina fa manandanja ny programan’asa hotanterahana, saingy izao famolavolana ny azy fa ny dinika rehetra sy ny fanitsiana dia eny amin’ny Antenimiera no hisian’ny tokony ho teny farany.

Ny olona vanona sy vonona no tena zavadehibe amiko.

« Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy »

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS