Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 10h15
 

Répondre à un commentaire

30 novembre 2017 à 08:30 | lysnorine (#9752)

@ Isandra 29 novembre à 12:57

« [..] Andry a dirigé le pays dans une période difficile(pays à sec et étant en plein crise, plein d’embûches,...), mais il a pu mener à bien sa mission sans laisser de grand dégât notamment les guerres civiles,...et mieux, il a laissé comme héritage à son successeur un pays prêt à décoller au point de départ de 3% de taux de croissance. »

Tsy takatray loatra aloha ny mahatonga ny sain’ny mpitondra fanjakana sy ny an’ny mpivaofy ny tokantranom-pirenena (ekônômia) - tahaka ny an’i Madagasikara aloha ! - mifantoka BE LOATRA amin’ny hoe : izao sy izao isan-jatony, raha alaina ara-keviny, nandritra ny taona iray, no nitomboan’ny vokatry ny asa aman-draharahan’ny mponina tao amin’io tany io (“taux de croissance”).

Angamba ny fahafantarana ny HABEN’ny tena vokatra mivaingana, azo tsapain-tanana sy hita maso, no misy dikany kokoa raha hitsara ny fandroso na ny fihemotry ny tany iray, ary voalohany amin’izany, raha ny amintsika tompon-tany Malagasy, dia ny VARY. Mazava ho azy fa miankina amin’ny haben’izany vokatra izany ny hahafahana na tsy hahafahana manondrana ampahany any ivelany, izany hoe hahazoana vola vahiny, na kosa ny maha-VOATERY hanafatra any ivelany hamelomana ny tany ama-monina, izany hoe handaniana vola vahiny.

Isan’ny famantarana lehibe koa ny fahasalaman’ny tokantranom-pirenena iray dia ny tarehi-marika momba ny FIFANDANJAN’ny VOLA MIVOAKA sy MIDITRA ao amin’ny RAKI-BOLAM-PANJAKANA sy ny FIFANDANJAN’ny VOLA VAHINY MIVOAKA sy MIDITRA ao an-tokantrano noho ny fifampivarotana amin’ny any ivelany, sy ny fifampiraharahana aminy isan-karazany. Mora alaina sary an-tsaina fa raha mandifotra ny vola miditra ny vola mivoaka araka ny mety asehon’ireo famantarana roa farany ireo, dia tsy manjary ilay tokantranom-pirenena, ary isan’ny voka-dratsin’izany dia ny FIDANGAN’ny VIDIM-PIAINANA sy ny FITOMBOAN’NY TROSAM-PIRENENA. Koa raha lanjaina amin’izany mizana izany ny tokantranom-pirenena-malagasy tamin’ny faran’ny taona 2013, taiza ho aiza moa izany no nisy azy efa taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ? Azo atomboka amin’ny famakafakana ireto andalan-tsoratra vitsivitsy manaraka ireto, notsoahana avy amina tatitra nataon’ny Banky mondialy sy ny FMI, ny fikatsahana valin’ izany fanontaniana izany .

1° Madagascar : chiffrer les coûts de la crise politique
05 juin 2013
http://www.banquemondiale.org/fr/news/feature/2013/06/05/madagascar-measuring-the-impact-of-the-political-crisis

“ LES POINTS MARQUANTS”

“ À Madagascar, quatre ans et demi de crise politique ont prélevé un lourd tribut sur l’économie et la population malgaches.

“ Plus de 92% de la population vit avec moins de deux dollars par jour et le taux de pauvreté a fortement augmenté. [...]

“Madagascar est un pays dont le potentiel économique est énorme. Avant la crise, la croissance économique de Madagascar était en moyenne de 5% par an. Toutefois, PENDANT LA PÉRIODE 2009-13 LA CROISSANCE A ÉTÉ NULLE. En prenant comme référence une croissance annuelle de 5%, le PIB en 2013 aurait été de 20% au-dessus de son niveau actuel, ce qui aurait représenté 8 milliards de dollars supplémentaires pour l’économie malgache. [...]

“Avec un revenu national qui stagne, le revenu par habitant en 2013 est RETOMBÉ À SON NIVEAU DE 2001”.

(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS