Halatr’omby tany Maintirano
Lehibe-na distrika sy delegem-panjakana ao ambadika
mercredi 25 juillet 2007 |
| 147 visites
Ravan’ny zandary tany amin’ny kompanian’i Tsiroanomandidy, vao tsy ela akory izay ny tambazotra mpangalatr’omby sy mpanadio omby halatra tany amin’ny faritra Maintirano.
Tamin’ny volana mey lasa teo moa dia omby miisa 50 no voaroban’ny jiolahy. Notifirin’ny dahalo ny tompon’omby tamin’izay fotoana izay ka namoy ny ainy mihitsy. Nandeha ary ny fikarohana ka hita tany Mahitsy ny ampahany tamin’ireo omby halatra. Efa nahavitan’ireo mpangalatra taratasy avokoa moa izany saingy hosoka avokoa. (...)