Famonoana ilay talen’ny minisiteran’ny Ati-tany
Efa nisy ireo olona voasambotra
samedi 26 janvier 2008 |
| 719 visites
Araka ny efa nambara tamintsika teto omaly, dia hita teny Tsaramasoandro, ao anatin’ny fokontany Ambohimahitsy no nahitana ny fatin’Atoa Cécilien Aurélien, talen’ny Fisafoana ny ati-tany teo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany, izay tsy hita nanomboka ny 10 oktobra 2007.
Tao ambany fototry ny trano vao naorina moa no nanafenan’ireo olon-dratsy ny fatin’ity tale ity.
Araka ny vaovao azonay, dia notapahana ny vatan’ilay lehilahy ary nataon’ireo namono azy izay nahatafiditra ny fatiny tao anaty kitapo. (...)