Feon’ny mpamaky
« Nanome asa ho an’ny zanakay ny ELTER »
vendredi 23 novembre 2007
| 622 visites
Tsy dia fanaoko tompoko ny mba manoratra aty aminareo mpanao gazety, kanefa tsy aritro kely ny fanazavan'ny depiote voafidy aty aminay Vohipeno tao amin'ny antenimieram-pirenena ny alarobia teo milaza fa mampijaly ny mpiasa ao aminy ny orin'asa mpanao lalana ELTER. Ny zanako lahimatoa sy ny anadahiko izay samy mipetraka ato amiko tompoko dia miasa ao amin'io orinasa io, izay manao ny làlana Irondro, Manakara, Farafangana ary ho vita amin'ny taona 2008 io asa io.
Misy mpamatsy vola vahiny (...)