Raharaha fandoroana ny oniversite
Naverina am-ponja i Ialy Rakotoniaina taorian’ny famotorana lalina
vendredi 27 juillet 2007 |
| 227 visites
Mbola tsy notsaraina i Ialy Rakotoniaina, vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Omaly izy no nentina tao amin’ny fampanoavana ary natao famotorana lalina. Mpianatra telo hafa voarohirohy tamin’ny raharaha fandoroana ny oniversiten’i Fianarantsoa no natao famotorana lalina niaraka tamin’i Ialy R. Mbola tsy fantatra aloha hatramin’izao izay fotoana hanaovana ny fitsarana ity raharaha ity. Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara dia naverina any am-ponja i ialy R. sy ireo mpianatra telo. (...)