Antsiranana : Fampielezan-kevitra
Mpanao gazety norahonana tamin’ny basy
mardi 18 septembre 2007 |
| 3658 visites
Mpanao gazety amin’ny radio roa any Antsiranana no nisy nandrahona tamin’ny basy, ny alahady tolak’andro teo, raha teo am-pandefasana indrindra ny dokam-barotry ny kandida TIM any an-toerana. Nisy lehilahy roa niditra ankeriny tao amin’ny radio 102.8 FM, ka nanambana basy ny mpanao gazety sady nandrahona sy nandrara ny fandefasana ny dokam-barotry ny kandida TIM. Namaly anefa ity mpiasan’ny haino aman-jery ka nilaza fa dokam-barotra andoavam-bola io alefa io, ary ireny no mba fidiram-bolan’ny (...)