Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Hiresaka mikasika ny vondrona VHM aho manoloana ny zavamisy ankehitriny eto amin’ny Firenena.
Ny VFM dia vondrona politika izay tobim-pamaharana ho an’ny solombavambahoaka mpanohana sy mpihoby an’i Rajoelina sy Ntsay ary Ravatomanga, ary isany mpandray anjara feno tamin’ny fangejana fanjakana na capture d’Etat notanterahan’izy ireo teo amin’ny fitondrana volomboasary.
Ankehitriny izy ireo dia mitonona ho manohana ny fitondrana fanovozana, marihiko tsara hoe fanovozana fa tsy ny fanavaozana...
Mahazo vahana izy ireo ankehitriny ary manao famoriana vahoaka etsy sy eroa.
Marihina fa ireto mpikambana VFM ireto no nilaza fahiny fa lasa adala sy miverin-tsaina i Razanamahasoa Christine izay solombavambahoaka IRMAR sahala amin’izy ireo ihany fa saingy kosa nanomboka sahy ary tsy nisalasala nitsikera ny fitondrana IRMAR volomboasary sy nampiseho ny tsy fahombiazana teo amin’ny fitondrana Rajoelina. Noesorina tsy ho Filohan’ny Antenimierampirenena izy ary nongotana mihintsy tsy ho depiote intsony ho fampiharana ny andininy 72 amin’ny lalampanorenana.
Ireto VFM ireto nefa ankehitriny dia manitsaka ihany koa ny andininy 72 voalaza io nefa dia io jerena fotsiny io ankehitriny.
Hita miharihary nefa fa manosika ny fitondrana fanovozana hivarina hianjera any ankady no nataon’izy ireo, ary mitondra fitaka sy mikatsaka ny famerenana an’i Rajoelina eo amin’ny fitondrana.
Ingahy Siteny no ao andamosiny mamela azy ireo hanao izao faminganana ny fitondrana fanovozana izao izay tsara marihina fa depiote IRMAR teo aloha ihany koa.
Ireo VFM volomboasary ireo ankehitriny no mody misalotra akanjo maintso manohana ny fahefam-pitondrana mijoro mandra-panosehany azy hirodana hiridana ho any ankady.
Miangavy anao Andriamatoa Colonel ravao tsy misy hatak’andro io Antenimierampirenena io fa hitondra loza sy atambo ho anao sy ny fanorenana ifotony ary ny fikaonan-dohampirenena io raha avelanao hitondra poizina ho an’ny Firenena eo !