Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 25 octobre 2026
Antananarivo | 10h52
 

Répondre à un commentaire

24 octobre à 17:33 | Vohitra (#7654)

Raha ny drafitrasa natolotry ny FFKM dia ny 26 oktobra 2026 no efa tafapaka sy tanterahana eny anivon’ny Distrika tsirairay ny fikaonan-doha.

Indrisy nefa fa hatramin’ny anio, mbola tsy misy akory izany fikaonan-doha izany na teny anivon’ny fokontany na teny anivon’ny kaominina. Izany hoe "mbola tsy nanomboka akory".

Hifarana ihany ity ny volana oktobra, ary efa manomboka misy ny orana mikija, izany hoe efa tsy lavitra intsony ny vanimpotoana fahavaratra izay sakana ho an’ny fivezivezena ho an’ny mponina vokatry ny fotodrafitrasa simba sy...fotoana fambolena anton-draharaha...sy ny fiompanana amin’ny fiatrehana ny maintso ahitra.

Mbola hisy ihany ve ity hoe fikaonan-dohampirenena ity ary e ?

Tsarovy fa tsy misy lanjany sy Hasina ny fikaonan-dohampirenena raha TSY MISY ny fikaonan-doha niainga avy any ifotony mihintsy teny anivon’ny Fokonolona.

Hifamitaka sy hifanambaka eto indray ve isika samy Malagasy ?

Aza adino fa misy antony sy dikany izao fahanginana eo amin’ny vahoaka izao !

Ary ataovy antsaina fa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fikaonan-dohampirenena dia TSY MAINTSY misy akony eo amin’ny firaisampirenena na unité nationale.

Moa eo ampiomanana amin’ny fiatrehana ny krizy mafy be manaraka indray ve isika izao ankehitriny ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}