Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 26 juillet 2026
Antananarivo | 09h00
 

Répondre à un commentaire

9 juillet à 12:21 | Vohitra (#7654)

Aza manabado sy mamitaka ny vahoakan’i Zanahary fa hanody anao sy ny taranakao io ataonao io...

Efa fantatrao io hatramin’ny 2023 fa rafitra efa motraka sy simba tanteraka no misy eto amin’ny Firenena : rafitra natao fotsiny hangejana sy hifehezana ny harena iombonana ary ho fanapahana tsy azo ivalozana.

Nataonao ho tohatra fiakarana ny tolom-panafahana nataon’ny vahoakan’i Zanahary mba handimbiasana fahefana ka hanohizana indray ny veliranon-jiolahy teo aloha.

Mitsiriritra ireo harena eo ampelantanan’ny tsy maty manota ianao, mitsiriritra ny ratsy fanahy ambinina ianao, nofitahinao amin’ny resaka finoana maha-mpiandry sy mpino ny vahoakan’i Zanahary, dia roboka sy fefika...

Valo volana dia miseho mibaribary ny endrikao feno : mivilana sy miborioka, aleonao ireo voaibe mpambotry ny Firenena no atao sakaiza, aleonao ireo tsy maty manota no ametrahana itokisana, aleonao ireo forongony no iarahana misalahy ankehitriny...

Aza adino nefa ity vava nivoaka ity, hoy I Général Ravalomanana Richard sivy volana lasa izao :

« tsy misy maharesy mpitandro filaminana manana basy izany »...

Aiza i Ravalomanana Richard ankehitriny ?

Rehefa sahy sy vonona io vahoakan’i Zanahary io, tsy hay tohaina sy tsy ho voafehy...

Hiverina andoharano tsy ho ela ny fahefam-bahoaka, hiverina amin’ny loharano nipoirana ny Hasintany sy hasimpirenena...