Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 23 mars 2026
Antananarivo | 13h38
 

Répondre à un commentaire

23 mars à 11:50 | Vohitra (#7654)

Fanorenana Ifotony no nakana ny fahefana, lasa fanavaozana no resahana ankehitriny !

Dia mbola ho gaga ihany ve ?

Fangoronana harena tampoka no resahana eto Madagasikara ankehitriny, fa nahoana ?

Ao amin’ny lalampifidianana dia noezahana foana mba ho lafobe ny fanaovana fampielezankevitra ho fandresana lahatra ny mpifidy, amin’izay voahilika sy TSY misy tia Tanindrazana mirotsaka amin’ny fifidianana.

Aiza ary ny vola hoentina manao fampielezankevitra sy fividianana safidy ?

Halatra, fanodinkodinana volam-bahoaka, fivarotana ny Tanindrazana, fanondranana antsokosoko ny harenampirenena, fanaovana herisetra... izany no entina miatrika ny fifidianana.

Ankoatr’izay misy zava-doza miseho ankehitriny :

Rainilaingarivony, sady Merina no Betsileo.

Ravatomanga, Merina.

Dia misy mihevitra MIHINTSY fa MBA anjaran’ny foko hafa indray izao no mangalatra sy mamaky ilay tranobe Firenena.

Dia milaza ankitsirano fa TSY maintsy avy any aminy ny filoha manaraka eo !

Vaky bantsilana izany resahana mazava izany !

Dia aza gaga MIHINTSY raha tsy miainga mandeha MIHINTSY ilay fanorenana ifotony !

Fandrobana sy gaboraraka indray no misy ankehitriny !

Miozongozona ny firaisampirenena, voahosy ny mangarahara, voahitsaka ny fiandrianampirenena.

Feno mpikaramanady vahiny mifamoivoy etsy sy eroa !

Vita ve ny tolona sa mbola mitohy ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}