Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Aoka kosa aloha ho mazava ny resaka na izany aza e...
Raha eny anivon’ny minisitera isantsokajiny rehetra, ny toerana misehatra amin’ny tontolo sy ny lafiny politika dia :
* Ny minisitra
* Ny Sekretera Jeneraly
* Ny kabinetra sy ny mpikambana ao aminy (mpanolotsaina sy mpiandraikitra raharaha manokana)
* Ny Tale Jeneraly (indraindray fa tsy voatery)
Ny ankoatr’izay kosa, manomboka eo amin’ny Tale midina amin’ny antanan-tohatra rehetra, dia toerana ara-tekinika avokoa ka miantso sy mitaky fahaizana, fahalalana, trainkefa, fifehezana haitao, fanajana ny tandrohasina, fanajantena ara-pitondrantena, fahaiza-mitarika.
Ity Ramatoa Tale ity dia nitondra henatra sy fahafaham-baraka ho an’ny tenany sy ny andraikitra nosahaniny, ary ny mahatohina dia nitondra aloka maizina eo amin’ny lenta sy fahaiza-manao ary fiantsorohana andraikitra eo amin’ny manapahaizana sy avarapianarana Malagasy ny fihetsika sy teny nataony. Malama molotra nefa toa marefo tokoa teo amin’ny fahaizana maneho hevitra izay mitaky fahamatorana tokoa satria ain’olona no resahana.
Ny fanontaniana dia ity : inona no hanekena hilalao sehatra politika eo amin’ny andraikitra izay mitaky fahaiza-manao sy fijoroana ho matihanina ary indrindra fifehezantena tsy misy tomika ?
Vola sy voninahitra ve ?
Tsy mahatoky tena amin’izay tokony ho zavabita ve ?
Izao no vokany, hanaraka anao mandrakizay mandra-panirina hikatonan’ny masonao ny vokatry ny nataonao, na ny taranakao aza ho menatra amin’izay vitanao ! Natsipy toy ny lamba nihosona loto, sady manimba maso no manimba ny tontolo...