Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Lay fitondrampanjakana mihitsy no poizina @ ty raharaha ty satria hatrany amboalohany (mbola tsy vita akory ny fanadihadiana rehetra fa vao nanomboka) dia io resaka mosavy io no novoiziny rehefa avy nivory rizareo.
Ankehitriny dia mihazona mafy io mosavy io rizareo ka ilay ministry ny fahasalamana aza dia manadino tanteraka ny fianarana nataony ka manamafy fa mosavy, any ka na dia mamaky lesona aza tsy hainy : mba tokony hiteny izy hoe marary aiza no hilaza hoe zaho dokotera manao « diplopie » fa tsy hiteny fotsiny hoe manjavona ny jereko na koa hoe ohatra ny mandriroa aho zany ? Ary io dia azo hamarinina tsara ao @ ny boky novakiany izay milaza fa ny botulisme dia misy tokoa ny diplopie fa misy koa ny « vision brouillée » dia ilay fambara nolazain’ny maro an’isa. Diso be zany ny filazan’ingahy ministra.
Raha tena sahy izy dia ireto misy fanontaniana tokony valiany :
1. Inona ny saranga (fa tsy ny anarany) misy ilay « singa mahery vaika » ? Satria raha hananao io saranga io dia vita tsara ny fitsaboana. Kanefa moa mbola maty ihany ny maro taorian’ny namoahanareo hoe « singa mahery vaika tsy fahita » ilay izy, izay hitarina hoe tsy hitan’ny vazaha fa tena ady gasy ? Raha izany dia aleo ho anareo manokana ny prix nobel 3 @ ireo 5 : médecine, chimie, physique
2. Natao fitsirihana daholo ve ny sakafo sy zava-pisotro rehetra naroso tao @ lay fety ? Dia natao fitsirihana daholo ve ny lo sy ny fivalanana ary ny rà ireo marary ? Izany ve natao vao tonga tao @ ny hopitaly ny marary sa ilay ray volana taty aoriana ? Natao fitsirihana daholo ve ny lo navoakan’ny maray rehetra hitanareo ? Ireo fitsirihina ireo (zay marihina fa vita ao @ Institut Pasteur de MAdagascar daholo) ve nisy fampitahana ? Raha tsia ny valiny ireo (ary izay no tena izy satria ilay nalefa tany France dia hoe avy @ olona iray) dia diso daholo zay lazainao ingahy ministra satria ianao nianatra fa tsy maintsy jerena ny antsipiriany alohan’ny hametrahana ny diagnostic satria mety misy endrika mitovy fa samy hafa no mahatonga azy. Ary ny tsy fanatanterahan’ireo fitsirihana rehetra ireo no mahatonga anareo hiteny foana hoe mosavy tao @ lay donat ny raharaha
3. Natao « autopise » daholo ve ireo maty ka hilazanao fa simba daholo ny aty sy ny voa ? Raha natao izany dia tokony ho fantatra zany ny nahatonga ny fahavoazan’ireo ankizy tsy manantsiny ireo ka ho sitrana daholo ny ambiny