Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 30 juin 2025
Antananarivo | 21h33
 

Répondre à un commentaire

30 juin à 12:37 | Rabeanosy (#11701)

Tsy niova ny fijerin’ny tanora fa nafenin’azy ireo ny tokony ho jereny.
Raha nisy ny fanonganam-panjakana, izay no zava-nisy saingy nahitana endrika ny maha-malagasy ve ny novoizin’ireo nanao izany ?
Halatra, lainga, fanodikodinana, famonoana, fanagadrana sy ny sisa : izay no endrika nasehon’ireo nanongam-panjakana.
Ireo zava-nisy ireo no niankinan’ny fijerin’ireo tanora, inona no mahagana ny amin’izany ?
Raha tiana hiverina ny maha-malagasy sy ny nentindrazana amam-panao ary ny soa toavina (jereo i Japana, RSA, Rosia, Sina, Vietnam, Malezia, Indonezia sns ...).
Miverina amin’ny fomban-drazany sy ny soa-toavin’ireo razany avokoa ireo firenena ireo na dia eo aza ny antsoina hoe « moderna » miseho amin’ny fiainany.
Anjaran’izay mihevitra ny hitondra an’i Madagasikara no mifantoka amin’izany : ny famerenana ireo soa toavina ara-olom-belona, ara-natiora sy voa-janahary, ara-piarahamonina fa tsy ny lingilingitra sy ny fisehosehoana tsy voafehy no mandany fotoana sy vola.
Ny mifanohitra amin’izany dia tsy hitondra fandrosoana velively ho an’ity tanin’ny Razantsika ity.

Mahantra mila-vonjy ny malagasy sy i Madagasikara.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.