Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Avancer vers le futur en tirant (enfin) les leçons du passé - Comment voulez-vous que des incultes fassent la différence avec leur (…)
Jipo - Avancer vers le futur en tirant (enfin) les leçons du passé - Lire :...actuellement au lieu de acceuillement...
La redevabilité ne (…)
rendre visible l’incision le - Avancer vers le futur en tirant (enfin) les leçons du passé - Il suffit de bannir la candidature open et le poids de l’argent pour se (…)
rendre visible l’incision le - Avancer vers le futur en tirant (enfin) les leçons du passé - Avancer vers le futur en 2 chevaux ?
C ’est pas un peu comme faire 2 pas (…)
Jipo - Cinq cas confirmés de variole du singe à Mahajanga - Coucou Jipo
Ne jetez pas d’huile sur le ? feu.
Les feux d’artifices (…)
bekily
{#URL_PAGE{archives}}





Tahaka ny fomba fifehezan’izao mpitondra volomboasary izao ny serasera [rnm, tvm, viva, tv+, & ireo haino aman-jery mpisolelaka any @ faritra], dia betsaka ny mponina ivelan’Antananarivo no lasa tsy dia mahara-baovao firy, dia toraka izany koa itsika firenena izay tsy misy hafa tsy vaovao « tandrefana » izay afafin’ny OTAN & ny namany no haino & fantatra. Ny marina kokoa, io resaka ady ao Ukraine io dia tantara efa ela no nirefotra tahaka izao. Raha vao vita ny ady lehibe faharoa 39-45 dia teraka ny otan & ny bloc communiste, ka tadidin-tsika tsara ny Urss dia nikasa nametraka base militaire tao Cuba, dia nimenomenona & nanao izay hafany ny mpitondra tao USA/otan tsy naharaikitra ilay fikasan’ny Soviétiques, & tsy nisy ihany ilay base militaire soviétique tao La Havane. Fa rehefa rava ny bloc communiste & ny rindrina tao Berlin, dia nifanaraka ny Rosiana & ny tandrefana fa tsy tokony misy atao mpikambana ao @ otan ny firenena mpifanolo-bodirindrina @ Rosia. Tsy izany anefa no mitranga izao.
Ankohatra izany koa dia fantatry ny mpitondra ao Kremlin fa misy fampijaliana ireo pro-russe [sady miteny rosiana] ao @ faritra sasany ao Ukraine *[1], & fantany koa fa misy firenena vitsivitsy tadiavin’ny sasany sady ampidirina ao @ UE no ampidirina ao @ otan, dia izany no nahatonga an’i Rosia naka (ankeriny) an’i Krimée. Izy rahateo mila sisin-dranomasina & seranan-tsambo lehibe.
Dia mitohy ny tantara, ka asa izay nahazo ny Amerikana & ny otan ka nivadika t@ fifanarahana dia nanambara fa ho ampidirina ao @ vondron’ny otan hono I Ukraine. Noho izany dia hoy Vladimir Poutine & ny Rosiana hoe « tsy avenay ivadika @ fifanarahana ianareo ka ho lasa mpikambana ao @ otan izany Ukraine, fa dia avelanay hivoaka ny Okreniana dia potehinay ny tanàna → dia izao samy mahita ny vokany izao.
*[1] i Ukraine t@ taonjato faha 14 na faha 15 tany ho any dia notafihin’ny firenena vitsivitsy toa i Pologne, Grèce, Austro-Hongrois, Turquie ka izany no mahatonga ho misy miteny polonais, hongrois, grika & izany koa no mampisy silamo (turque) ao Ukraine.