Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Allô, les intellos ?
59 %
Derniers commentaires
- Saisie d’or à Ivato : cinq douaniers dans le viseur d’une enquête - Il n’est pas si complexe et difficile de détecter le niveau de participation (…)
Vohitra - « Madagascar Vision 2030 » : où en est-on ? - J invite mes sympathisants ( tes y a bien une hihihi ) à ecouter francois de (…)
canal baobab 13 - Saisie d’or à Ivato : cinq douaniers dans le viseur d’une enquête - Gruyère tu refoules ..les banks helvètes verona...
Après si y effectivement (…)
canal baobab 13 - Saisie d’or à Ivato : cinq douaniers dans le viseur d’une enquête - Bjr Ivato est un gruyère. Aussi depuis bien longtemps il y a pluss d’or (…)
vorona - « Madagascar Vision 2030 » : où en est-on ? - Il est évident, eu égard aux différents paramètres sociopolitique et (…)
Vohitra
{#URL_PAGE{archives}}





Inona no zava-mitranga anio ?
– matimaty foana tsisy mpiraharaha ramalagasy satria tsy fanta-bahoaka, na ny etsy ambanintanàna izany na any amin’ny fatritra,
– fahafatesana mifampitohy toa vakana nohon’ny tsy fahampian’ny enti-mahefa, ny tsy fampitaovana,
– lavitra andriana ka tsy ao anatin’ny antontan’isa akorin’ireo izay nandao nohon’ny Covid-19,
– sa tsy tia ho very razana ka tsy avaky ny antony marina nahalasa an’ilay havana ?
– etsy ankilany ny leba sy ny akoho amam-borona mitangorona eo aminy dia mitsabo tena amin’ny tena atao hoe fitsaboana manarapenitra, satria mahavita mampiditra vakisiny toa andra-bleu, na mankany ivelan-driaka misy izay tena raitra amin’ny fitsaboana,
– ry zareo tsy mila milahatra dia eny ny alina eroa amin’ny farmasia mba ahazo azithromycine na fortifiants, fa satria ny ranondolana sarintsarin-tambavy mantsy tsy mahasakana andra-fahafatesana andom-baravarana,
– na ny zo fototra ny ho velona aza dia misy ambaratonga araky ny fahefanao manjifa, ny any ivelan-driaka, ny vakisiny, ny oxygène, ny azithromycine, ny ed1, ny cvo,
– ery andanin’izany rehetra izany anefa dia mitohy ihany koa ny fandrobana manarapenitra, ny avion cargo miainga isan’alahady ve misy mitily ?
– ny tany lonak’i Mangoky misy 60 000 ha nomena ny arabo ve misy mpiraharaha, na ny teraka any tokony hiaro aza dia mamporisika !
– ny fiakarambidin’ny entin-kohanina isan’andro midangana, ny vary 3200 ar/kg, ny menaka 13000 ar/l, ny siramamy 3000 ar/kg, ny atody 550 ar ny iray, tsy tanisaina ny arina, ny jiro,
Izany rehetra izany mampikaika.
Manotika ny tsinaiko nohon’ny mahazo anao ry Taniko.
Vonto fo aho mahita ny ianjadianao ry Malagasy.
Hafiriana izao no mbola hoziogaina ihany ?