Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- SADC : la situation politique et sécuritaire de Madagascar au cœur d’un sommet extraordinaire - Votre honneur,
jacques : De Blaise Compaoré à Ibrahim Traoré, c’était de (…)
rendre visible l’incision le - La glissade de l’ariary reprend face à l’euro et au dollar - Quelle meilleure solution ?
Quelle autre alternative ?
Taux de change (…)
rakotobe - La glissade de l’ariary reprend face à l’euro et au dollar - Normal !, les autres se sont barrés avec la caisse.
Inglewood - La glissade de l’ariary reprend face à l’euro et au dollar - Bientôt 6000 ariary pour 1 euro…
Marco_Santino - L’article 72 de la Constitution malgache à l’épreuve : une jurisprudence en rupture ? - Anio alakamisy 18 desambra 2025, dia nanambara io maraina io teny amin’ny (…)
Vohitra
{#URL_PAGE{archives}}





Inona no zava-mitranga anio ?
– matimaty foana tsisy mpiraharaha ramalagasy satria tsy fanta-bahoaka, na ny etsy ambanintanàna izany na any amin’ny fatritra,
– fahafatesana mifampitohy toa vakana nohon’ny tsy fahampian’ny enti-mahefa, ny tsy fampitaovana,
– lavitra andriana ka tsy ao anatin’ny antontan’isa akorin’ireo izay nandao nohon’ny Covid-19,
– sa tsy tia ho very razana ka tsy avaky ny antony marina nahalasa an’ilay havana ?
– etsy ankilany ny leba sy ny akoho amam-borona mitangorona eo aminy dia mitsabo tena amin’ny tena atao hoe fitsaboana manarapenitra, satria mahavita mampiditra vakisiny toa andra-bleu, na mankany ivelan-driaka misy izay tena raitra amin’ny fitsaboana,
– ry zareo tsy mila milahatra dia eny ny alina eroa amin’ny farmasia mba ahazo azithromycine na fortifiants, fa satria ny ranondolana sarintsarin-tambavy mantsy tsy mahasakana andra-fahafatesana andom-baravarana,
– na ny zo fototra ny ho velona aza dia misy ambaratonga araky ny fahefanao manjifa, ny any ivelan-driaka, ny vakisiny, ny oxygène, ny azithromycine, ny ed1, ny cvo,
– ery andanin’izany rehetra izany anefa dia mitohy ihany koa ny fandrobana manarapenitra, ny avion cargo miainga isan’alahady ve misy mitily ?
– ny tany lonak’i Mangoky misy 60 000 ha nomena ny arabo ve misy mpiraharaha, na ny teraka any tokony hiaro aza dia mamporisika !
– ny fiakarambidin’ny entin-kohanina isan’andro midangana, ny vary 3200 ar/kg, ny menaka 13000 ar/l, ny siramamy 3000 ar/kg, ny atody 550 ar ny iray, tsy tanisaina ny arina, ny jiro,
Izany rehetra izany mampikaika.
Manotika ny tsinaiko nohon’ny mahazo anao ry Taniko.
Vonto fo aho mahita ny ianjadianao ry Malagasy.
Hafiriana izao no mbola hoziogaina ihany ?