Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Conférence nationale : priorités pour éviter un nouvel échec - Non bikini ce n’est pas aucun intérêt à répondre mais surtout RIEN à (…)
tonga soa - Filière aurifère : l’exportation légale de l’or relancée après plusieurs interruptions - "Les virulences des échanges sont certes contre productifs, mais (…)
tonga soa - Conférence nationale : priorités pour éviter un nouvel échec - Camarade Poumarat ..
Tu saoules bien....
Essaie de trouver un site rigolo (…)
bekily - Filière aurifère : l’exportation légale de l’or relancée après plusieurs interruptions - Les pertes de repères créent la floraison de populistes, dont l’extrême (…)
bekily - Filière aurifère : l’exportation légale de l’or relancée après plusieurs interruptions - @ Rouer
Ne voulant pas pousser à la polémique
Il me semble que Rakotobe (…)
bekily
{#URL_PAGE{archives}}





Miarahaba Tompoko,
Misy ny milaza ankehitriny fa izao fahavoazana manjo ny vahoaka sy ny Firenena ankehitriny momba ny fihanahan’ny valanaretina izao dia vokatry ny tsy fiomanana teo amin’ny mpizaka fahefana sy tomponandraikitra…
Mety ho azo heverina ihany izany fomba fijery izany saingy amiko, azo lazaina fa dia tsy dia mitombna loatra…
Hiomana amin’ny inona tokoa moa izy ?
Ka ilay atao hoe « fiomanana » mihitsy anie no tsy fantany e !
Ary ireo vitsy mba tokony nandray andraikitra noho ny fahalalany manokana, dia mbola variana miremby sy mijirika ka tsy nisy fahasahiana niteny mazava izay tokony atao sy tokony hilofosana haingana…
Nirehaka sy nidehaka fa hoe « nahafehy » sy « naharesy » ny valanaretina hono izy…ary nahay nitantana ny fifehezana izany…herinandro vitsy monja, tonga ny loza sy antambo…raha fantany mantsy ny atao hoe « fiomanana », tsy toy izao no nitranga…
Ankehitriny, eny amin’ny CTC iray anie ka tsy misy toerana intsony fa dia any anaty fiara any ivelany no mipetraka ny marary ankehitriny e ! Omaly maraina dia toa tsy nisy fisafoana ny marary akory…ary avy eo nisy fahatapahanjiro tampoka, kohaka no heno manakoako hatrany ivelany satria tapaka ny famatsiana oxygène…
Hiomana amin’inona izy e ? Ny hany mba fantany dia ny mamory vahoaka sy mamatsy lainga ary angoantenda, dia izay ! Ary rizareo efa sady tsy mahay no midontsana, no tsy misy traikefa, saingy mafy loha sy manao be marenina, no manao be ambo…ary ireo kely vitsy mba nandalina indray dia tsy manana traikefa mihintsy…ary izay mahalana mba efa nahazo traikefa indray dia faingantànana sy mpandroba ary kinga amin’ny fandripahana ny volampanjakana…
Maimaimpoana hono ny fanafody sy fitsaboana…ka inona moa no atao rehefa ilay fanafody mihintsy no tsy misy eny amin’ny toerampitsaboana nefa nolazaina fa maimaimpona !
Maimaimpoana ny fitsaboana, koa inona nefa no ata eo rehefa ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy mihintsy no tsy ampy ny isany !
Herimpamoretana no ataonao betsaka sy omenao tanbinkarama mihoampampana dia izao no vokany e !
Fehiny : tsy ny tsy fisian’ny fiomanana no tena olana, fa ilay tsy fahalalana sy tsy fahaizana, vokatry ny fahosana ara-tsaina sy fahabangana eo amin’ny fahalalana, ary ny toetsaina kapotsaka liana amin’ny fandrobana !