Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Refondation : le colonel Michaël Randrianirina attendu à l’ONU, un an après le tournant du 25 septembre - Les donneurs de conseils ne sont pas les..hein voui ah voui encore plus (…)
canal baobab 13 - Amoronankona : intérêts particuliers contre l’intérêt général - Gerard aurait pu compléter son excellent post par un chiffre qui fait (…)
canal baobab 13 - Amoronankona : intérêts particuliers contre l’intérêt général - Pour répondre à Stomato,
Concernant les champignons saprophytes, s’il ne se (…)
Gérard - Amoronankona : intérêts particuliers contre l’intérêt général - Raha mbola misy totofana, dia mbola totorana
Et tant qu’il faudra des (…)
Gérard - Manifestation à Ambatofotsy : le régime né de la rue se retrouve près d’un an après la prise de pouvoir confronté à la rue - HS
peut être
Mais quand même....
Menatra mafy aho niverina avec tany (…)
bekily
{#URL_PAGE{archives}}





Tsetsatsetsa tsy haritra atao kopiE-kolE nalaina tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao niseho androany.
Raha tsy marina ireo voalaza etsy ambany, inona no manakana ny fitondrana tsy hanagadra ny gazety fa mampiely vaovao tsy marina ? Valiny : marina izany ireo voalaza ireo (kajy tsotsotra iny).
Mampatsiahy ahy ny tenin’ny jeneraly iray niasa teny Mavoloha ka nametra-pialana nanao "retraite anticipée" taorian’ny nitenenan’i pierre bleue azy hoe : "F’iza no mitondra ity tany ity fa tsy izaho !" ; satria nasainy niandry teo amin’ny trano fiandrasana i pierre bleue fa tsy avy dia nampidiriny (zava-marina io voalaza io fa tsy lainga ary azo antsoina ho vavolombelona io jeneraly io amin’ny fotoan’androny) :
"Ny Valosoa
Manonja ny toe-draharahara ankehitriny. Vaky bantsilana ny resaka ao amin’ny fandaharana Miara-manonja.
Fehezin’olona miara-miasa akaiky ny filoham-pirenena ny ministera maro, toy ny Fitsaràna sy ny Harena an-kibon’ny Tany. Tsangan’olona fotsiny ny ministra fa ireo rehetra olona tomponandraikitra ambony rehetra tendrena ao amin’ny ministera toy ny Directeur Général, Sécrétaire Général, Procureur Général dia voafehin’ny akaman’ny filoha efa re anarana matetika, dia i Mamy Ravatomanga.
Raharaha maro no efa naha-voarohirohy an’ity akaman’ny filoha ity, kanefa dia tsy voakitikitika mihitsy fa vao maika aza manapatra fahefana. Miverina indray izao ny anarany amin’ny raharaha fanondrana volamena 73,5kg antsokosoko. Ka ho voakitika ve ity akaman’ny filohampirenena ity amin’ity indray mitoraka ity sa ho tsy maty manota toy ny mahazatra ?
Ho sahy ve ny filohampirenena Andry Rajoelina hampihatra ny teny nambarany nandritra ny filankevitry ny ministra fa hoe na olona anaty fianakaviany na mpiara-miasa aminy akaiky, rehefa meloka dia meloka ary samborina ?"