Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Herintsalama Rajaonarivelo nommé Premier ministre, des contestations en germe - ILS PUENT... ÇA PUE L’ORANZA POURRIE...
lemama - Herintsalama Rajaonarivelo nommé Premier ministre, des contestations en germe - Pourquoi avez-vous peur des oranges, alors que vous nous avez fait croire (…)
lemama - Herintsalama Rajaonarivelo nommé Premier ministre, des contestations en germe - https://scontent.fmru4-1.fna.fbcdn.net/v/t39.30808-6/568573743_2924507624425618_
Jipo - Herintsalama Rajaonarivelo nommé Premier ministre, des contestations en germe - Jacques,
Des pourritures qui trustent les institutions de la République... (…)
Vohitra - Herintsalama Rajaonarivelo nommé Premier ministre, des contestations en germe - La première déclaration du PM est la mise en place d’une Audit dans chaque (…)
lé kopé
{#URL_PAGE{archives}}
Tsetsatsetsa tsy haritra atao kopiE-kolE nalaina tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao niseho androany.
Raha tsy marina ireo voalaza etsy ambany, inona no manakana ny fitondrana tsy hanagadra ny gazety fa mampiely vaovao tsy marina ? Valiny : marina izany ireo voalaza ireo (kajy tsotsotra iny).
Mampatsiahy ahy ny tenin’ny jeneraly iray niasa teny Mavoloha ka nametra-pialana nanao « retraite anticipée » taorian’ny nitenenan’i pierre bleue azy hoe : « F’iza no mitondra ity tany ity fa tsy izaho ! » ; satria nasainy niandry teo amin’ny trano fiandrasana i pierre bleue fa tsy avy dia nampidiriny (zava-marina io voalaza io fa tsy lainga ary azo antsoina ho vavolombelona io jeneraly io amin’ny fotoan’androny) :
"Ny Valosoa
Manonja ny toe-draharahara ankehitriny. Vaky bantsilana ny resaka ao amin’ny fandaharana Miara-manonja.
Fehezin’olona miara-miasa akaiky ny filoham-pirenena ny ministera maro, toy ny Fitsaràna sy ny Harena an-kibon’ny Tany. Tsangan’olona fotsiny ny ministra fa ireo rehetra olona tomponandraikitra ambony rehetra tendrena ao amin’ny ministera toy ny Directeur Général, Sécrétaire Général, Procureur Général dia voafehin’ny akaman’ny filoha efa re anarana matetika, dia i Mamy Ravatomanga.
Raharaha maro no efa naha-voarohirohy an’ity akaman’ny filoha ity, kanefa dia tsy voakitikitika mihitsy fa vao maika aza manapatra fahefana. Miverina indray izao ny anarany amin’ny raharaha fanondrana volamena 73,5kg antsokosoko. Ka ho voakitika ve ity akaman’ny filohampirenena ity amin’ity indray mitoraka ity sa ho tsy maty manota toy ny mahazatra ?
Ho sahy ve ny filohampirenena Andry Rajoelina hampihatra ny teny nambarany nandritra ny filankevitry ny ministra fa hoe na olona anaty fianakaviany na mpiara-miasa aminy akaiky, rehefa meloka dia meloka ary samborina ?"