Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Nouvelle tension à l’ACM : des employés en grève sur fond d’affaires de corruption - De toute façon à Madagascar dès qu’un individu à une once de pouvoir (un (…)
tonga soa - Nouvelle tension à l’ACM : des employés en grève sur fond d’affaires de corruption - Tout ce que l’on peut reprocher à la voix de Moscou dans ce forum tient dans (…)
tonga soa - Obtention de certificat de nationalité : la Primature poursuit Andry Rajoelina en justice - Enfin !
La Nation Malagasy est en train de se relever de sa chute (…)
Vohitra - Obtention de certificat de nationalité : la Primature poursuit Andry Rajoelina en justice - Mais qu’a fait la HCC lorsqu’elle a appris que le fuyard a la nationalite ? (…)
Randria - Nouvelle tension à l’ACM : des employés en grève sur fond d’affaires de corruption - Il fut un temps où certains responsables se faisaient remarquer en traçant (…)
Mariano
{#URL_PAGE{archives}}





Tsotra ny sosokevitra omena anao : rehefa voafehy tsara ity valanaretina ity, dia aleo mihomana mizotra mankany amin’ny fanovana ny lalampanorenana...
Tsy afaka ny hizotra ho any amin’ny fandrosoana marina iarahana mizaka isika mianakavy raha mbola io lalampanorenana io no hitondrana ny raharaham-pirenena eto...
Mila foanana tanteraka tsy asiana intsony fa mandany vola fotsiny ireto andrimpanjakana ireto :
– CENI : avereno amin’ny minisiteran’ny atitany ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana, raharaham-panjakana feno izany fifidianana izany
– HCDDED (tsy misy asa sahaza sy miantraika any amin’ny vahoaka ataon’izany eto)
– CFM ( ataovy sy apetraho ny tany tan-dalàna marina dia ampy izay, fa tsy misy terena hihavana izany ny olona, ary ny fihavanana izany tsy atao anaty fihatsarambelatsihy )
– HCJ ( ataovy fitsarana mitovy ny hitsarana ny vahoaka sy ny mpitondra, ary apetraho fa azo atao ny mitsara ny mpitondra amperinasa nandika lalàna na dia ao anaty fiantsorohana ny andraikiny aza izy)
– HCDN (mpanatanteraka ny asampanjakana ny tafika sy mpitandro filaminana fa tsy rafitra mpanoro hevitra akory )
Aleo hizorana aorian’izay ny fametrahana ny Faritra mizaka tena ary tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana mivantana akaiky ny vahoaka.