Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Faratsiho

Zazavavy kely nilatsahan’ny Fanahy Masina

mardi 20 mai 2008 | Princia R.

Raharinaivo Laingo Prisca no anaran’ity zazavavy kely 11 taona azo ambara ho nilatsahan’ny Fanahy Masina ny alahadin’ny Pantekosta lasa teo tao Faratsiho. Tamin’ny andron’ny Jesoa dia voalaza fa niteny tamin’ny teny tsy fantatra ireo mpianany vantany vao naharay ny Fanahy masina. Torak’izany koa ny an’i Prisca satria hatramin’io alahady io dia lasa niteny amin’ny fiteny anglisy razazavavy, ka na miresaka aminy amin’ny ny teny gasy aza dia valiany amin’ny anglisy ihany. Ao amin’ny CEG Faratsiho no mianatra ity zaza ity ary ao amin’ny kilasy faha-6 izany hoe vao eo ampanombohana ny fianarana teny anglisy indrindra. Kamboty ray ity zaza ity ary taizana pasitera iray amin’ny Fiangonana
« Jesosy Mamonjy ». Mianadahy izy ireo no taizan’i Pasitera. Nialohan’ny fetin’ny Pantekosta dia nanao vavaka fifadian-kanina ity zaza ity, faniriany moa tamin’izany ny ho raisina batisa tamin’io alahady io saingy noho izy mbola kely dia tsy mbola mety. Kanjo ny alahady dia tsikaritra ho faly sy nihinjakinjaka razazavavy ka nanomboka teo dia nanjary niteny anglisy. Gaga avokoa ny manodidina rehetra indrindra fa ny mpampianatra teny anglisy azy satria mbola vao abidy no atao any am-pianarana. Hatramin’io alahady io dia niova ny fomba fiainan’i Prisca manjary falifaly lalandava, sy tia vavaka ka isaky ny mahavita zavatra iray dia manatona ny « Hazofijaliana » ka mivavaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS