Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h02
 

Malagasy

Antsirabe

Zanaka mpiandry no tontakely ao am-piangonana

mercredi 23 juillet 2008 | Princia R.

Hatrany am-piangonana mandritra ny fanokanana mpiandry no hiasan’ny asan-devoly ary tsy lavitra tsy akory fa dia ny zanakin’ny mpiandry ao am-piangonana ihany no manao ny asan’ny maizina amin’ny fanaovana tontakely.

Nandritra ny fanokanana mpiandry farany teo tao amin’ny toby Ambohimahazo Antsirabe no niseho ny raharaha, very nisy nangalatra ny kitapon’ny filohan’ny mpiandry, fakan-tsary, vola, enta-madinika maro samihafa no tao amin’ny kitapo. Tovolahy 14 taona no nanafina ny entana ary nilaza tamin’ireo namany ny toerana nasiany azy, ireto namany indray no nitady mpividy ny entana ka nifanojo tamin’ny olom-pantatry ny tompon’ilay entana. Teo no nanomboka noraisim-potsiny ireo ankizy. Ny nahatsikaiky dia tsy nifankahita ilay tovolahy tena nangalatra ny kitapo sy ireo namany raha tsy efa teny amin’ny mpitandro ny filaminana.

4 mirahalahy no notanana am-ponja vonjimaika ary samy zanaka mpiandry avokoa izy rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS