Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 19h13
 

Teny zato, kabary arivo

Zanak’Ikala hafa

lundi 7 juillet 2008 | Naivo kely

Nisento tokana ireo depiote tsy miankina, raha nandre fa omena ny anjara fiara 4x4 izy ireo. Ny filoha Ravalomanana mihitsy raha nihaona tamin’izy ireo no nanambara izany ny faran’ny herinandro teo.

Efa ela ihany no nahazo ny fitaovana ho enti-miasa ireo depiote TIM. Efa maro ny faritra notsidihan-dry zalahy sy zavavy tamin’itony fiara itony. Midika io fa iretsy tsy miankina kosa dia nandeha tongotra na bisikileta angamba satria tsy mba zanak’ i Dada angaha ka tsy nahazo ny anjara mofo mamy ? Tsy toy fahita hatramin’izay kosa anefa ny fanomezana itony fiara itony, fa dia ho averina amin’ny fanjakana rehefa tapitra ny fotoam-piasan’ireto depiote ireto mandritra ny efa-taona. Midika io fa volam-panjakana no nampiasaina tamin’ny fividianana azy ireo, saingy saika niseho indray teto ny zanak’Ikala hafa. Soa fa voasoroka haingana io. Maro no mitaky ny tokony hanaovana « Plaque rouge » itony fiara itony, mba hiavaka tsara ny fananam-panjakana izay tsy mahamenatra izany. Ny fiaran’ny lehioben’ny faritra dia hita fa manaraka ny fitsipika amin’ity menamena ity, ary tsy misy ny olana eo amin’ny fifandim-biasan-toerana, saingy ny depiote mpanao lalàna ihany ity no toa tsy manaiky izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS