Ny 12 Martsa lasa teo dia nisy vaky trano tao Andranomanelatra ary trano mifanakaiky no lasibatry ny mpanao ratsy. Entana lafo vidy sy fitaovana elektrika, finday ary lelavola 3 500 000 Ar no lasan’ireo jiolahy. Rehefa tonga teny anivon’ny zandarimariam-pirenena ny tatitra dia nanomboka ny fanadihadihana ka niafara tamin’ny nahatratrarana ireo mpamaky trano efa-dahy, mpandray ny halatra mirahavavy ary mpampiantrano iray. tovolahy vao erotrerony 17 taona no lehiben’ny mpangalatra ary fantatra fa zanaka mpitondra fivavahana ny iray tamin’ireo vehivavy mpandray ny entana. Nisy ireo entana no tafaverina tamin’ny tompony. Ny vola kosa 700 000 Ar sisa no tratra. Rehefa natao ny fanadihadihana dia izy ireo ihany no tompon’antoka tamin’ilay vaky trano tao Andranomanelatra tamin’ny 11 desambra 2007. Zanak’Andranomanelatra ihany ireto jiolahy ireto, ny iray aza zanaky ny mpiasa amina orinasa lehibe iray ao an-toerana ihany.
Andranomanelatra
Voarohirohy ny zanaka mpitondra fivavahana
vendredi 28 mars 2008 |