Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Ialy Rakotoniaina

Voarohirohy amin’ny fandorana trano

jeudi 21 juin 2007 | Naivo kely

Mbola voatazona ao amin’ny kaomisarian’i fianarantsoa hatramin’izao ny vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha dia Ramatoa Ialy Rakotoniaina. Tafiditra amin’ny resaka fandorana ny Oniversiten’i Andrianjato no antony isamborana azy ny talata teo . Mahatratra 12 ireo voasambotra momba iny hain-trano iny, kanefa raha ny vaovao marim-pototra voaray tany an-toerana dia 9 sisa ireo mbola tazonina ao amin’ny tobin’ny Zandary sy ny Polisy any an-toerana. Ankazondrano, Tsaramandroso ary Ampasambazaha no itazonana ireto olona ireto, ary ny vadin’ingahy Pety Rakoniaina dia ao amin’ny kaomisaria Ampasambazaha no misy azy, ka mety haharitra 15 andro ny hitazonana azy ao. Ny resaka fanohitohinam-bahoaka amin’ny ankapobeny no voalaza fa anton’izao fisamborana izao. Mpanao famotorana manokana avy aty Antananarivo no nalefa hanadihady an’i Ialy Rakotoniaina, ka niniana nampanginina tanteraka ireo mpitandro ny filaminana ao Fianarantsoa. Tsy azo hitokiana angamba ka nambara fa sarom-pady ilay raharaha, ka izay no nanafarana ireo mpanao fanadihadiana manokana nalefa any amin’ity faritra ity. Tsy mbola fantatra ihany koa ny zavatra hita tao an-tokantranon’i Ialy Rakotoniaina nandritra ny fisavàna nataon’ny mpitandro ny filaminana tao.

Mandeha ny resaka

Tsy hilaozan’izay vava tsy hiely anefa ny tanàna, ka ao ny milaza fa rehefa voasambotra ve ny vadiny dia hipoitra ho azy ilay niafina, dia ingahy Pety io ? Kajikajy politika no nifantoka tao an-tsain’ny rehetra raha nahita fa nandritra ny fanolorana ilay fiara vaventy lehibe miisa dimy sy ny nandalovan’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta tao Fianarantsoa no nanaovana ny fisamborana an’iiy ramatoa vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha ity. Ny filan-kevitry ny Governemanta mandeha, ny fisamborana koa tsy mijanona. Dia ho sanatria ve hoy ny mpitazana dia saronana amin’ireo kamiao dimy ireo ny mason’ny mpanara-baovao ka tsy ahita izao fisamborana izao ? Tsy hidirana lalina izay fitadiavana ny marina fa miendrika hakanosana ihany kosa ny tahaka izao hoy ny mpitazana tany an-tanàna. Ny fahitana ireo mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ao Fianarantsoa, dia efa miendrika fa raha sanatria misy mihetsika eo amin’izao fisamborana izao dia ahita faisana. Ny fety ao an-tanàna ihany koa mafana be ihany.

Ho hita ny marina

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara moa dia nanamafy raha nanao ny filan-kevitry ny Governemanta sy nitsidika ny Oniversite tao Andrianjato fa tsy maintsy ho tratra izay nahavanon-doza, ary mbola nohamafisina fa latsa-drano-maso avokoa ireo minisitra niaraka taminy tany nijery io faritra may io.

Tsy maintsy harenina haingana io toerana may io, saingy tsy mbola voalaza na rahoviana no hanombohana ny asa na rahoviana ? Mila ny fifanomezan-tanan’ny rehetra anefa izany, izay tsy hitakiana vola amin’ny mpianatra fa ny hevitra kosa. Tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy hoy ihany ny lehiben’ny Governemanta.

Tezitra ny lehiben’ny fampanoavana

Tao anatin’ny tendro-po kosa no nanazavan’ingahy lehiben’ny fampanoavana ambaratonga ambony, Etsifosaina, fa tsy afaka ny hampiditra am-ponja intsony ny tenany raha tsy feno ny porofo entina hanao izany. Midika ve io fa misy baiko hafa manery azy hanao izany ? Fandrindrana asa no tiany napetraka teo ka rariny raha samy mandray ny tandrify azy ny rehetra mba tsy hisian’ny teny midina angamba ?

Milamina ny tanàna

Na eo aza ireo rehetra ireo dia hita fa milamina ny tanàna, ny fety ihany koa efa atomotra, saingy ny tsy mbola mazava aloha hatreto dia ny hoe « mpianatry ny Oniversite ve ireo voasambotra ireo sa olon-tsotra na ihany koa mpikatroka ao amin’ny « Tambatra ? ». Ny hita fotsiny dia tsy mandroso ny tanàna, ka na ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta aza dia nilaza ampahibemaso fa maro ny mbola mitavandra fotsiny nefa tsy vonon-kiasa, ary notsipihany mazava fa ny faritra miasa ihany no ampiana fa izay mifanohitra amin’io dia eo no raisina. Raha fintinina amin’ny teny iray dia misy ny disadisa ahiana hipoaka ao Fianarantsoa ao, raha tsy voalamina haingana, indrindra fa voasambotra sy ahiana ho mpiray petsapetsa amin’ny fandoroana ny Oniversite, ny vadin’ingahy ben’ny tanàna teo aloha izay mbola be mpankafy amin’izao fotoana izao, ka ho hita eo ihany ny tohiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS