Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h03
 

Malagasy

Fisamborana an’i Pety

Voahosihosy ny fomban-drazana

mercredi 6 juin 2007 | Naivo kely

Fa dia heloka toy inona loatra no nataon’ingahy ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha, Pety Rakotoniaina, no dia ny fomban-drazana nololoavina antampon’ny loha hatramin’izay no zary noviraviraina ankehitriny ? Io no fanontaniana mipetraka ao antsain’ny rehetra raha nandre fa nosamborina ny asabotsy lasa teo ny Katibo tao Amboasary, Iabarazafy, na fantatry ny maro hoe Paul, izay hambara fa mpisikidin’ingahy Pety Rakotoniaina.

Ombiasy mpitahiry ny sorabe tao amin’i Distrikan’i Vohipeno ingahirainy ary raha ny fantatra dia toa mpikambana ao anatin’ny fikambanana tambatra. Nisavorovoro ny raharaha ka tonga tany ny mpitandro ny filaminana, ary nisambotra avy hatrany ity olona voalaza farany ity. Ankoatry izay, dia naratra mafy ihany koa ny lehilahy iray izay mpanao kung Fu any an-toerana ary mpiara-diha amin’ny ingahy ben’ny tanana teo aloha dia i Pety Rakotoniaina izany, ary amin’ny fotoana hanoratanay izao dia voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra nataon’ny mpitandro ny filaminana taminy. Omaly tolakandro dia nivory ny olo-be maro samy hafa any antanana nandinika haingana ity trangan-javatra ity satria toa voahosihosy tanteraka ny fomban-drazana mba hamitranana ny fihavanana sy hamerenana ny hasin-drazana. Tsara ny manamarika fa ny sorabe sy ny Katibo dia tsy azo hetsehina amin’ny toerana nisy azy kanefa io niarahana nandre io ny filazana fa noentina niakatra aty andrenivohitra i Katibo Iabazafy miaraka amin’ny sorabe mba hitrandrahana an’i Pety Rakotoniaina. Hanao ahoana ny tohin’ity raharaha ity, satria rehefa tsy nahomby aloha hatreto ny fanambazana vola be hisamborana an’ingahy Pety dia io fidirana amin’ny fanimbazimbana ny fomban-tany indray ny raharaha. Mino anefa isika fa tsy hiaino feon-dakolosy tokana fa haneho ny heviny ny fanjakana indrindra fa tsaraina eo anoloan’ny antenimieram-pirenena momba ny asa vitany izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS