Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 15 janvier 2026
Antananarivo | 15h02
 

Malagasy

Kongresin’ny TEZA

Voahilika tamin’ny toerany i Moxe

lundi 7 avril 2008 | Naivo kely |  699 visites 

"Toerana hifandimbiasana, ary aleo ny tanora handray ny andraikiny". Isan’ny teny mahitsy nambaran’ny filoha mpanorina ny TEZA io. "Fampitana ny faneva ho eo ambany fitarihan’ny tanora izao", hoy ingahy Moxe Ramandimbilahitra, "satria 10 taona izao no nitarihako ity antoko ity". Ampy traikefa amin’izany ireo mpandimby. "Tsy entam-barotra akory ny TEZA ka azo atakalo", hoy ihany ingahy Moxe, "ary mahaiza mitandrina fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, fa raha tsy izany, dia ny fihavanan-jiolahy no hanjaka ao anaty fokonolona. Tsy halozana ny fampiharana ny lalàna fa fiarovana ny rariny sy ny hitsiny".

Voahilika tamin’ny toerany i Moxe, fa toy izao kosa ny fehinkevitry ny mpizaika. Mitaky ny hanaovana ny fifidianana any Sainte-Marie, Nosy be ary Taolagnaro mialohan’ny fifidianana izay ho loholona. Takiany ny hamoahan’ny "Chambre de cassation" ny valin’ny fitoriana tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo.

Mila hatsangana ny banky fampandrosoana ka tokony hanana petra-bola ao ny fanjakana, ny mpandraharaha Malagasy, ary ny malagasy te-hividy petra-bola ao. Tokony hovana ny firafitry ny Governemanta hamaritra ny "orientation générale".

Mitaky ny hamerenana ny fifidianana rehetra any amin’ny fokontany ka izay mahazo vato be indrindra amin’ireo olona 5 no ho tendrena sefom-pokontany. Toy izany ny eto Antananarivo renivohitra, ary hatsangana ny "Haute cour de Justice". Teny Maibahoaka Ivato no nanatontosana ireo, ary i Rakotoamboho Jean Louis no voatendry hisolo an’i Moxe amin’ny toerany. Ity filoha mpanorina kosa kosa dia ho mpanolon-tsaina amin’ny lafiny maro ao anatin’ny antoko.