Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 17h39
 

Malagasy

Asa fanaovan-gazety

Voahelingelina sy tratry ny ramatahora

mardi 5 février 2008 |  764 visites  | Ramijah

Tsy navela haka sary sy nanao ny asany ireo mpanao gazety tonga nanatrika ny lozam-piarakodia izay nahafatesana tovolahy kely teo akaikin’ny « Travaux »-Besorohitra, tao Fianarantsoa ny zoma tolakandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Manamboninahitry ny tafika iray no tompon’ilay fiara nandona ka nahafaty ity tovolahy kely eo amin’ny 10 taona ity. Tsy vitan’ny hoe nandrahona ireo mpanao gazety tonga teo ity manamboninahitry ny tafika ity fa mbola nanompa ihany koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy azo alaina sary hono ny fiarany raha tsy te-hahita loza ireto farany ireto. Nisy olona nanatrika teo nahazo totohondry mihitsy aza. Izany ve no gisa lahy mangala-ketsa sa ?

Ny asa fanaovan-gazety no voatohintohina amin’ny toe-javatra toy itony ka iantsoana anareo manam-pahefana feno mba hijery akaiky ny zava-misy aty amin’ny faritra aty.

Misy marina ve ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, sa rehefa azo ampatahorina na any amin’ny tany lavitra andriana dia azo anaovana ramatahora ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives