Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Fjkm Ambohiborona-Fitiavana

Voadaroka ny mpanao gazety !

mardi 24 juin 2008 | Manou

Novalian’ ny mpitantana ny Fjkm Ambohiborona-Fitiavana herisetra ny fitakiana nataon’ny mpino leon’ny toetra nasehon’ny Mpitandrina teny an-toerana tao anatin’ny 2 taona !

Nanenjan-tsandry tamin’ireo mpikambana amin’ny Stk namelatra sora-baventy nanehoana fitakiana teo ivelan’ny fiangonana avy hatrany Ramatoa Mpitandrina sy ny lehiben’ny Diakona niara-dia taminy raha vao nigadona teo an-tokontanim-piangonana. Tsy nisy resaka ihany koa fa nifanenjehany nanaovana herisetra toy io koa ny mpanao gazety nanao ny asa fanangonam-baovao teny tamin’io fotoana io ka potika mbamin’ny fitaovana fakany sary.

Niraraka mihitsy aza ny ompa sy teny ratsy nataon’ireto mpitarika fivavahana ireto nandritra izany, ankoatry ny fisakanany ny tsy hahazoana mamoaka io vaovao io satria tsy nahazoana alàlana tamin’izy tomponandraikitra araky ny voalazany ho lalàna mifehy ny Fjkm...

145 taona vao
mihemotra

Miantso fanadihadiana avy any amin’ny Foibe Fjkm ankehitriny ny mpiavaka ao amin’ity fiangonana Ambohiborona-Fitiavana ity ho fanavotana ny fiangonana satria efa latsaky ny antsasaky ny mpino sisa mijanona ao nohon’ny afitsoky ny mpitandrina sy ireo « mpiaraka homana » aminy, hoy ny kristiana sendra anay.
« Tsy misy zavatra mandeha ato fa na ny trano aza ity mila hirodana ho azy satria tsy misy fanamboarana nohon’ny tsy fisian’ny firaisan-tsaina » araky ny fitarainan’ireo tsy mankasitraka intsony ny fitondran-dRamatoa Mpitandrina.
Nanamafy ny mpikambana ao amin’ny Sampana Tanora Kristiana fa tsy hampitsahatra ny fitakiany raha tsy mahazo valiny mahafa-po mba tsy hahafaty ity fiangonana efa mihanika ny faha-145 taonany ity. Mbola miantso ny rehetra ry zareo amin’ny alahady izao hifamotoana eo an-tokontanim-piangonana Ambohiborona-Fitiavana ihany hanohy ny hetsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS