Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h02
 

Teny zato, kabary arivo

Vita Gasy

samedi 12 juillet 2008 | Naivo kely

Teny mandreraka, toa mitory fanambiana ny asa ataontsika io. Heno matetika, ary mivoaka amban’ny maro rehefa injay mipoitra ny tsy fahombiazana. Nitodika tany amin’ny fomba fiasa namoizana ain’olona ny alakamisy teo teny Ivato io fomba fiteny iray.

Asa goavana lehibe tahaka ireny ve no atao, dia fitaovana kely sy olona vitsy toy ireny no ampiasaina. Tsy fanatra intsony, na ilay orinasa nahazo ny tsena no te-hanambe, na ny vola natokana ho azy ireo mihisty no tsy afaka hanofana fitaovana goavana handravana itony asa lehibe itony. Vokany aina enina be izao no indray nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso. Na ho inona ho vokatry ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana, dia ny aina nafoy kosa tsy miverina intsony.

Tsy ho gaga mihitsy isika raha ny vahiny hatrany no mahazo ny tolotr’asa rehetra eto. Manara-penitra ny azy ny fitaovana ampiasaina, ary vita araky ny ilana azy ny asa rehetra. Raha ny Gasy kosa no mahazo sehatra kely, dia ireny hiarahana mahita ireny ny vokany. Raha tsy maty ny olona, dia zara fa vita ny asa. Isan’io ireny lalana atao TIP TOP ireny. NY asa tany Tolagnaro, izay naverina tanteraka ny lalana tao antampon-tanana, satria kitoatoa ny famitana azy. Soa aloha fa tsy ny orinasa gasy rehetra no manao ity asa vita gasy ity, fa ao ireo tena mifaninana amin’ny vitan’ny any ivelany. Izany no atao hoe sehatry ny fifaninana, fa tsy izay milaza ho orinasa kely rehetra izao, dia ahazo vahana amin’ny asa gavana toy ity eny Ivato ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS