Nodimandry i Herizo Razafimaleo. Ny alakamisy alina teo no nandaozany ny fianakaviany sy ny tany, rehefa nolazoin’ny aretina nandritra ny andro maro teny amin’ny Hopitaly tetsy Ilafy. Aretin’ny voa no nahazo azy. Lehilahy tsy zoviana amin’ny maro raha teo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny raharaha politika maro isan-karazany. Nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena hatrany izy nandritra ny fifidianana izay natao teto.
Nanana ny fomba fijeriny ny tenany, ary tsy mba nivadibadika teo amin’ny hevitra navoakany. Very andrarezina ny mpanohitra, ary very olo-manga kosa ny firenena. Isan’ny nitaky voalohany ny hampiharana ny « etika politika ». Efa nitana andraikitra goavana tao anatin’ny Governemanta ny tenany fony andron’ny Profesora Zafy Albert ny lehilahy, ary nahakivy ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny filazany, fa tokony ahemotra amin’ny manaraka ilay fivoriana an-tampon’ny vondrona Afrikana hatao amin’ny herintaona eto Madagasikara. Efa ben’ny tanàna tao Ambositra ihany koa. Azo adika fa olona nireharehan’ny mpanohitra ny tenany, ary maro ireo antoko no nialokaloka tao ambadika. Mpanorina rahateo ny antoko Leader Fanilo izy.
Mirary fiononana ho an’ny fianakaviany manontolo isika rehetra, indrindra fa ho an’ny vady aman-janany.