Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 21h51
 

Editorial

Vary, varimbazaha, katsaka...

lundi 19 mai 2008 |  1084 visites  | RAW

Tsako na tsakotsako dia fandinihana lalina an-tsaina alohan’ny hanapahana hevitra. Mamadibadika, maka ambony, maka ambany, mamotopototra. Fa dia midika ihany koa hoe katsaka. Ary ny resaka eto dia resaka sakafo maneran-tany. Raha ny vary no tena be mpihinana eto amintsika, tsy vitsy ny mihinana katsaka. Ny mofo dipaina azo avy amin’ny lafarina vokatry ny varimbazaha moa dia tonga hatrany ambanivohitra lavitra any, ary tsorina fa efa isan’ny sakafo mahazatra ny mponina an-tanàndehibe rehetra.
Amin’izao fotoana izao dia mananontanona ny « krizin-tsakafo maneran-tany ». Mampitandrina ny Firenana Mikambana ary efa maro ny firenena tsy mivarotra vary na varimbazaha any ivelany intsony. Asa mety ho fitaovana hambabona fanjakana iray na maromaro tahaka ny solika indray ity sakafo ity.
Ny mahasadaikatra kely dia toa tsy mino izany loza mitatao izany loatra ny Amerikana tsotra. Ny mpitondra fanjakana foibe an-drizareo no hita misomebiseby fa raha ny olon-tsotra dia toa tsy azony an-tsaina izany tsy fahampi-tsakafo izany. Tsy miafiafy mihitsy ny Amerikana raha ara-tsakafo. Raha tsorina dia manana ny ampy tanteraka rizareo. Ary ampian’ny fanjakana ara-bola ny mpamboly varimbazaha sy katsaka. Raha any aminy tokoa dia ny akoho no taratra ho sakafon’ny mahantra. Nahandro isan-karazany no hanaovany azy ary mirary dia mirary ny vidiny amin’ny volany. Tahaka izany koa ny mofo voasesika isan-karazany. Asa aloha na misy inona ireo karazan-tsakafo ireo fa dia toa mampatavy ratsy tsisy ohatra izany. Miteraka « obésité » na atavezana mihoapapana. Maro no milaza fa ny vary dia tsy miteraka « obésité ». Asa izay fahamarinany fa misy ihany ny vary mainty.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS