Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h09
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

mardi 22 janvier 2008 |  635 visites 

- Fifidianana : Nahazo hery ny mpanohitra

Hiatrika fifidianana indray ny firenena Malagasy ny volana marsa izao izay hanomboka amin’ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaina ny faritra. Efa voafaritra tao anatin’ny filan-kevitry ny Governemanta ny zoma lasa teo ny isan’ny olona ho fidiana isaky ny faritra ary toy izany koa ny daty hanatanterahina io fifidianana io. Ho an’ny mpanohitra dia hita ho nahazo hery izy ireo taorian’ny nahazoan’ny TGV ny fandresena teto andrenivohitra farany teo iny, saingy mbola malailay fonosana kely ry zareo ny handraisana anjara amin’io fifidianana io. Asa na tsy mahatoky tena, na ny fepetra entina manatanteraka ny fifidianana no tsy laitran’ny sasany. Mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto na handray anjara izy ireo na tsia.

======================
- Mahajanga : Solika halatra 130 litatra no saron’ny ZP

Nisy naka an-tsokosoko ny solika tamin’ny « jerrycans » tao amin’ny orinasa iray, tsy lavitra ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nametraka fitarainana tany amin’ny borigadin’ny ZP ny tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa. Nandeha ny fikarohana ka tany amin’ny orinasa iray izay tsy lavitra ny seranan-tsambo ihany no nahitana ireo solika, tao anaty « jerricans » miisa 30, ary mihaty eo amin’ny 130 litatra eo ho eo.
Olona efatra no voarohirohy tamin’izany halatra solika izany ka mpiasa tao amin’ilay orinasa ny iray ary olona ivelany ny roa.
Tsy ho ela dia hatolotra ny fampanoavana ireo olona ireo.

======================
- Zana-dRanavalona : Hiroso amin’ny bileta tokana

« Azo atao tsara ny fanaovana ny bileta tokana eto amintsika ary izahay zana-dRanavalona no hampihatra io voalohany eto Madagasikara ». Io no nambaran’ingahy Solofoniaina na i Lolo izay isan’ny kandida hilatsaka ho fidiana ho filohan’ity fikambanana ity amin’ny alahady ho avy izao. « Tsy sanatria manome lesona ny fanjakana izahay raha manao izany, fa kosa heverina fa lalana iray tokony ho atao rehefa hita ny maha-tsara izany ». Inona tokoa moa no maha-ratsy ny fidirana amin’ny bileta tokana tahaka izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS