Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 mai 2024
Antananarivo | 04h44
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

lundi 3 décembre 2007 |  632 visites 

- Herizo Razafimahaleo : Mitaky valin-dahatsoratra.

Tao amin’ny radio Aceem omaly no nilazan’ingahy Herizo Razafimahaleo ny hanaovana valin-dahatsoratra tamin’ny nataon’i Moxe Ramandimbilahitra mpanolon-tsaina politikan’ny filoha Ravalomanana, izay milaza fa tokony ho Praiministra ity lehilahy ity tamin’ny taona 2002 fa tsy nety. Ny TVM, RNM ary ny MBS izay namoaka io fanambarana manokana mikasika ny tenany io no ilainy hamoahana ny tena marina, hoy ity filohan’ny Leader Fanilo ity, ka asa na hanao izany ireo haino aman-jery ireo na tsia.

=====================
- Taolagnaro : Vola fotsiny no lany

Ny sabotsy teo no nitsidika tany Taolagnaro ny Praimnistra lehiben’ny Governemanta niaraka tamin’ireo mpikambana vitsy tao anatin’ny Governemanta, izay nijery ifotony ny resaka momba ny PIC. Tsy mandeha amin’izay laoniny ny fampiasana ireo vola ka ny hopitaly izay miantoka ny fahaveloman’ny mponina aza, tsy misy rano hampiasaina. Manjaka ny delestazy, ka miha maty tsikelikely ny orin’asa. Ny làlana ao an-tampon-tanàna dia zara raha misy fanamboarana, ary ny tantsaha ihany koa tsy misy mpanentana amin’ny fanitarana ny vokatra satria zara raha misy ireo mpiasa manao izany. Ny asan-jiolahy dia io efa mahazatra io.
Na misy aza ireo tetikasa goavana iarahana amin’ny QMM dia isan’ny faritra mihemotra hatrany i Taolagnaro fa tsy mandroso.

Nangonin’i Naivo lely

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS