Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h27
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

vendredi 30 novembre 2007 |  2455 visites 

- Kaominina Antanifotsy : Tsy nahaloa ny volan’ny Jirama

Nanome baiko ny filoham-pirenena taorian’ny nampakarana 15 % ny vidin-jiro sy rano fa tsy maintsy tapahina ny jiro sy rano eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana izay tsy nahaloa ny volan’ny Jirama. Nampihanjaka ireo mpiasam-panjakana ao Antanifotsy izany satria efa iray volana izao no nanapahan’ny Jirama ny jiro sy rano ao amin’ny kaominina sy ao amin’ny « perception principale ». Nankaiza ny volam-bahoaka ? Io moa no fanontaniana mipetraka amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa anefa no sahy nandingana ity baikon’ny filoha ity ka tsy nanaiky ny hanapahana ny jiro sy rano toy ny eny amin’ny biraon’ny distrika. Ireo no hitsena izay ben’ny tanana vaovao eo. Roa ihany moa no mpifaninana dia atoa Rabenoelina Hery atolotry ny antoko TIM sy kandida mahaleo tena iray. Hahafehy ny Jirama ve anefa ny ben’ny tanàna ?

=======================
- Hery Rafalimanana : Kandida tsy mivadim-pitokisana

Miha mafana hatrany ny fampielezan-kevitra eto an-drenivohitra ka samy miezaka mampisongadina ny kandidany ny mpanohana azy avy. Ny firaisana faha 4 no nanaovan’ny kandida Rafalimanana ny fampielezan-keviny omaly ka nanatrehan’ny fokontany miisa 32 ny fanentanana. Efa ireo ny fotodrafitrasa hoy ny kandida, nefa mbola ampiana ary hifantoka bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ny tanora amin’ny alalan’ny famoronana asa sy fanatanjahantena ny tenany. Ny tolakandro kosa dia nahavory ireo mponina ao anatin’ny firaisana fahatelo ny kandida ka teo Besarety no nanaovana ny fihaonana. Mitovy hatrany ny tarigetra dia ny « tsy fivadiham-pitokisana »
Anio dia hitohy amin’ny boriborin-tany hafa indray ny hetsika.

=======================
- Ivato seranana : Kandida Rasta, hivoy ny kolotsaina

MIsongadina ny fampielezan-kevitry ny kandida RASTA mitondra ny lisitra orimbato, kandida ho ben’ny tanàna ao Ivato seranana. Nanosika an’i Rasta hirotsaka ho ben’ny tanàna mantsy ny finiavany hanafoana ireo mpitondra mitafy hodi-janakondry, izay tsy nahitany fahombiazana ny fiaraha-miasa noho ny fanavakavahana. Efa lefitry ny ben’ny tanàna izy tamin’ny taona 2004, sady mpanolontsainan’ny tanàna saingy niala noho ireo antony maro. Nahatsara azy ny nialany ka nahafahany naka bahana hifaninana. Arak’izany dia hanasongadina ny tsy fisian’ny fanavakavahana amin’izao taon’arivo fahatelo izao ny tenany. Mampiavaka ity kandida ity sy ny programan’asany moa ny hivoizany ny kolotsaina hahafahana mampijanona maharitra ireo mpizaha tany tsy maintsy manitsaka ny kaominina Ivato seranana.

=======================
- Antsirabe : Fampielezan-kevitra, mafana na dia tsy misy mpifaninana aza

Nafana dia nafana ny fampielezan-kevitra teto amin’ny tanànan’Antsirabe na dia tokana aza ny kandida. tokana monja mantsy ny mpilatsaka ho fidina ho an’ny Ben’ny tanàna eto Antsirabe dia ny ben’ny tanàna teo aloha izay natolotry ny Tiako Madagasikara Rtoa Olga Ramalason.Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana narahan’ny fanolorana ireo lisitry ny mpanolon-tsaina niafara tamin’ny fanentanana maro samihafa, izay no fandaharam-potoanan’ny Tiako madagasikara ny alarobia lasa teo. Hoan’ny antoko hafa tsy mbola nandrenesana feo ireo nanolotra lisitra ho an’ny mpanolo-tsaina, tsiahivina fa misy 5 izy ireo ho an’ny tanànan’Antsirabe.

Ho an’ny andron’ny alakamisy dia nitohy tamin’ny fitetezana fokontany ny hetsika fanentanana ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolo-tsaina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS