Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 22h38
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

mercredi 14 novembre 2007

- Farimbon’i Madagasikara : misy misandoka ny anaran’antoko

Tsy mivadika amin’ny teny efa napetrany ny antoko « Farimbona ho an’i Madagasikara vaovao » milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha toa ka tsy misy fiovana ny lalam-pifidianana izay misy ankehitriny, ary ilaina ihany koa ny fidirana amin’ny fampiasana bileta tokana ». Io no nambaran’ingahy Pierre Andrianantenaina filohan’io antoko io, « ka tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hifanohitra amin’io teny nomeny izahay », hoy izy. Tao ho ao mantsy dia misy olona mitonona amin’ny
anaran’ny antoko « Farimbona » ary maka vola any amin’ny kandida mirotsaka ho fidiana izay ho ben’ny tanana eto andrenivohitra. Voalaza fa ho tambin’io dia hanohana azy ny antoko. Hatreto izany dia fisandohana avokoa ireny ka tsy handefitra ho an’ireo olona mbola miniaa manao io asa ratsy io ity « Farimbona ho an’i Madagasikara vaovao » ity.

Penjy R

=========================

- Kaominina Talatamaty : hitsabo ny ratra i Dokotera Rado

« Tsy avelako hanjakan’ny loto sy ny tsy fandriampahalemana ny tanàna eto Talatamaty raha lany aho, ka mila rivo-baovao sy tetika maty paika mba hampanjakana ny tena fampandrosoana mirindra ». Io no nambaran’i Dokotera Rado, izay kandida natolotry ny TIM ao anatin’izany kaominina izany. « Tsy kandidan’i TIM irery aho fa an’ny vahoaka tsy ankanavaka, satria mila ny fifanomezan-tànana avy amin’ny vahoaka sy ny mpitondra mba ahafahana mampandroso haingana ny ety Talatamaty. Tsy ben’ny tanana hotompoina fa hanompo vahoaka sy ny tanindrazana aho, ary miantso ny mponina feno 18 taona eny an-toerana izy mba hijery ny lisi-pifidianana, ary hanefa ny adidiny handatsa-bato amin’ny 12 desambre izao. Hitsabo ny ratra mikiky ny kaomina aho ary ho isan’ny fitaratra ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no tanjona ».

Naivo kely

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS