Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 07h19
 

Malagasy

Vaovao Tapatapany

vendredi 7 décembre 2007

- Marovoay : Hifidy ny zaza tsy ampy taona ?

Gaga ny mponina tao Marovoay ny alarobia teo fa misy tompon’andraikitra misahana ny fanaovana ny sora-piakohonana mitety trano mba hampanao kara-panondro ny olona feno taona. Ny nanaitra hoy ny vaovao, dia asaina manao izany na ireo mbola tsy feno taona aza ? Izay mahavita ny karatra dia asaina mifidy avokoa rehefa tonga ny datin’ny 12 desambra. Fandikana ny lalàna velona ny toy izao hoy ny olona nahita io trangan-javatra io, ary hanairany ny sain’ny tompon’andraikitra any antanana, sao ny tsy ampy taona no hameno ny toerana fandatsaham-bato.

======================

- Fanasina ao Ampitatafika : Voadingana ny oditr’akondro

Na dia teo aza ny fingana maro isan-karazany nataon’ireo mpifaninana aminay, dia tsy nampibolisatra anay ireny, satria voadingana ny oditr’akondro. Io no nambaran’ny kandida Raolijaona Njaka Aubert, izay natolotry ny fikambanana tsy miankina Fanasina. Ny hanarina haingana ny kaominina Ampitatafika no maika hoy ity kandida ity, ary vonona amin’io izy miaraka amin’ireo mpanolontsaina, izay olona hita fa manana ny fahaiza-manao amin’ny asa fanarenana tanana avokoa.

======================

- Mpitatitra : Mivondrona ho maty hanina

Nanao fihaonam-be tetsy amin’ny Falda Antanimena omaly ireo mpitatitra Taxi, Taxibe ary ny zotra rezionaly sy nasionaly mba handinihana ny fanatsara ny fomba fiasa aha-matianina bebe kokoa azy ireo. Efa nisy ny dinika niarahany tamin’ny PDS Hery Rafalimanana manoloana izany, ary vonona ny hametraka io fiaraha-miasa matotra io ity PDS ity. Nitarika ny fotoana i Vonjy Andriasy izay mpiara-miombon’antoka amin’ireto mpitatitra ireto.

======================

- Analamanga : OTIV Mahasoa : Ar 2,3 miliara ny tahiry

Ny OTIV Mahasoa eto Analamanga no lehibe indrindra manerana ny nosy izay namarana ny fivoriambe ka nandaniana ny lalàna vaovao nasiam-panavaozana ka nanamorana ny fahafahan’ny olona hiditra mpikambana. Misy mpikambana 17000 eo ho eo amin’ity OTIV Mahasoa ity izay ahitana masoivoho 6 eto Analamanga ka ao Imerinafovoany no misy ny foibeny. Fantatra tamin’ny fivoriambe fa manana petra-bola ar 2,3 miliara ity OTIV ity amin’izao fotoana izao, raha maty antoka tamin’ny taona 2005. Fantatra fa ny 30% n’ny mpikambana no mpisambotra vola fa ny 60 % dia mpanao tahiry. Samy misy zana-bola ireo hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny OTIV ramatoa Razakamahefa, ary hatramin’ny ar 60 tapitrisa no azo samborina.

Ny mpikambana no nampiroborobo ny OTIV hoy kosa ny tale jeneraly satria ahitana sokajin’olona toy ny mpiasam-panjakana, mpamboly ary mpivarotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS