Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h54
 

Malagasy

Vaovao Tapatapany

jeudi 22 novembre 2007

- Famerenana fifidianana : Narendriky ny tsy miankina ny TIM

Navoakan’ny HCC omaly maraina tetsy Ambohidahy ny vokatry ny famerenana ny fifidianana izay depiote tany amin’ny distrikan’i Bealanana sy Mananara Avaratra. Ireo nandresy tamin’ny fihodinana voalohany ihany no mbola nitana ny lohany tamin’io vokatra omaly io. Tafiditra etsy Tsimbazaza izany ny kandidan’i AME sy ingahy Zakahely Boniface, izay hita fa lavitra ny elanelana nisy teo amin’izy ireo sy ny TIM. Narendriky ny tsimiankina ny TIM tamin’ity indray mitoraka ity, ary feno 127 tanteraka izany izao ny isan’ireo depiote etsy Tsimbazaza.

======================
- Marc Ramiarinjatovo : Manomboka ny fanenjehana

Tao anatin’ny andro vitsy izay dia nirarakompana ny fanenjehana ny kandida Marc Ramiarinjatovo, izay hita fa miendrika ho fanosorana maloto ity kandida ity no tanjon’ireo minia manao izany. Na eo aza ireny, dia hita ho tony ny lehilahy manoloana izany, satria mazana rehefa vanim-potoan’ny fifidianana tahaka itony, dia ny fijinjana kandida heverina fa manana tetikasa tsara hanmpandrosoana ny tanàna no hiantefan’ny balan’ny fanejehana tahaka izao. Nanambara ireo komity mpanohana an’i Marc Ramiarinjatovo fa tsy hampiemotra azy ny toy izao, fa vao maika hiezaka hifanantona amin’ny vahoaka bebe kokoa ny tenany izay hiaino ny olana mianjady amin’ireny mponina sy ny faritra misy azy.

======================
- Toamasina : Mpanao taratasim-panjakana hosoka, sarona ny atidoha nikotrika

Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambazotrana mpanao taratasim-panjakana hosoka, izay niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny orinasa lehibe iray tao Toamasina, herinandro vitsivitsy lasa izay. Trano fanaovana irony « cyber » irony no nikotrika ny fanaovana hosoka ka taorian’ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana dia sarona avokoa ny fitaovana raitra fanamboarana ireo taratasy hosoka. Tratra tao ny solosaina manarapenitra ahavitana zavatra maro.

Ny taratasim-panjakana rehetra dia vitan’ireto mpisoloky ireto, toy ny fahazoan-dàlana mamily fiara, taratasy fifanekena sns...Fantatra moa fa misy ny mpiara-miasa amin’ireto roalahy tompon’ny « cyber » izay mamatsy fitomboka sy ireo taratasy hafa mivoaka avy any amin’ny trano fanontana printy.

======================
- Vohipeno-Vondrozo : Tsy mahara-baovao ny mponina satria manomboka amin’ny 5 ora hariva no tapaka ny herin’aratra ary amin’ny 10 ora alina vao miverina.Etsy andaniny dia tsy mianatra ny mpianatra rehefa maka vola ny mpampianatra, izay mandeha an-tongotra andro vitsivitsy vao tafaverina.

======================
- Faritra iva : Manomboka mihandrona ny rano eny amin’ny toerana iva amin’izao fiatombohan’ny fiavian’ny orana eto an-drenivohitra izao. Saika tsy mahomby amin’ny faritra sasany moa ny fivoahan’ny rano namboarina ka nisy indray izao ny tetika vaovao hampihenana ny fihandronan’ny ranon’orana, dia ny fitatazana ny orana arak’izay azo atao.

======================
- Ankadifotsy Mandialaza : Notokanana ny talata teo ny biraom-pokontany Ankadifotsy Mandialaza izay nasiam-panavaozana nanomboka tamin’ny taona 2003. Vita ny ampahany izay volan’ny fokontany madiodio no nanaovana azy. Nasiam-panavaozana toy izany koa ny paompy iray ao ampovoan-tanàna izay niteraka resa-be. Nisy olona nitonona ho tompon’ny tany amin’izao fotoana izao, raha nambaran’ny komitim-pokontany kosa fa efa tamin’ny 1930 no naha paompy ity paompy ity.

======================
- Ankarafantsika : Manomboka mahatsapa ny soa azo avy amin’ny alan’Ankarafantsika ireo vondron’olona ifotony ka nahita fahombiazana tamin’ny fiarovana ny doro ala. Raha 5000 ha no ampahan’ala may tamin’ny taona 2006 dia 40 ha izany tamin’ity taona 20074 ity.Fokontany miisa 59 no mahazo tombontsoa amin’ny fiarovana ny ala, ka mandray ny 50%n’ny vola miditra amin’ny alalan’ny kaominina. Ny 50% kosa dia ho an’ny mpitantana nyala sy mankeny anivon’ny faritra Boeny.

======================
- Analamahitsy : Jiolahy raindahiny mampikolay ny mponina eny amin’ny faritra Analamahitsy eny no saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborin-tany faha 8 tamin’ny talata lasa teo. Anisan’ny jiolahy namaky trano tao Ivandry tamin’ny alin’ny zoma ity jiolahy ity ka vokatry ny fikarohana nataon’ny polisy dia izao sarona izao.

======================
- Androndra : Ny alin’ny zoma lasa teo ihany koa no nifanandrinan’ny polisy tamin’ny jiolahy teny Androndra, taorian’ny fanadihadiana azon’ny polisy ny zoma antoandro. Nampiseho fahasahiana mantsy ireto jiolahy ka nampandre ireo tokantrano ho tafihany. Voapetraky ny polisy mialoha ny velam-pandrika ka sarona ny olon-dratsy miisa 3, ka vehivavy ny iray. Jiolahy iray kosa no maty voatifitra.

======================
- Tano ny azo... : Manomboka tafiditra amin’ny ady hevitry ny olona eto an-drenivohitra ny ho fisehon’ny fifidianana ben’ny tanàna ka ny tombanan’ny maro dia saika manentana amin’ny « tano ny azo fa sarotra ny mila » Leom-boananana amin’ny olom-baovao lava izao ny vahoaka ka manome tsiny ireo tanora vao misandratra hifanandrina amin’ny kandida efa manana traikefa. Miisa 6 ny kandida fa ny 1 aloha no tena mavesatra, fa ireo ambiny kosa toa mitovitovy lanja.

Nangonin’i Hery A.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS