Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 21h56
 

Malagasy

Vaovao Tapatapany

mercredi 21 novembre 2007

- Karatry ny holafitra : Zaraina anio maraina

Vita tanteraka ankehitriny ny karatra maha-matianina ny mpanao gazety izay mahatratra 1001manerana an’i Madagasikara, ka etsy amin’ny efitry ny TVM Anosy rihana faha-telo no hanaovana izany. Volana maro no nikarakaran’ireo komity nisahana izany izay tarihan’ny namana Maka Alphonse, ary ny sandan’io karatra io dia iray alina ariary. Aorian’ny fizarana ity karatry ny holafitra ity, dia tsy maintsy vitaina amin’ity taona ity ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety vaovao sy ireo birao hiaraka aminy. Raha ny nambaran’ny filohan’ity vaomiera ity, dia aorian’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina no hirosoana amin’io fifidianana eo anivon’ny mpanao gazety io.

=====================

- Kaominina Ambohidratrimo : Nahiliky ny vehivahy ny lahy

Difotry ny vehivavy tamin’ny ora farany ny lehilahy tao Ambohidratrimo, ka nolanian’ny maro ho kandida ben’ny tanana amin’ny 12 desambra ramatoa Sahondra Rabaona Rajaonarison. Kandida atolotry ny TIM eny Ambohidratrimo, ary nanambara fa tsy hikoso-maso amin’ny asa heverina fa hampiakatra avo io kaominina io ny tenany. Nanatrika io fotoana io ny depiote Raharinaivo Andrianatoandro, sy ireo kandida TIM namany hirotsaka ao amin’ny kaominina manodidina. Hatreto izany dia olom-baovao avokoa ny ankamaroan’ireo kandida atolotry ny TIM ao anatin’ity distrika ity.

=====================

- Nosivarika : Olona marary saina no fototry ny loza

Trano miisa 8 sisa no navelan’ny afo tamin’ireo trano miisa 134 ao amin’ny fokontany Vatoatody, anatin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’ny Nosivarika. Ny alahady alina teo mantsy no nirehitra ny trano iray ka nitatra tamin’ireo trano iray manontolo. Tsy nisy noraisina ny trano miisa 126 ary tombanana hatrany aminan’ny ar 30 tapitrisa ny totalin’ny zavatra simba. Araka ny vaovao azo dia avy amin’ny vehivavy iray tsy salama saina no nipoiran’ny loza. Tsy voafaritra aloha ny zavatra nataony tao ka nahatonga ny afo fa ny vaovao azo dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpitaiza ity olona tsy salama saina ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS