Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h09
 

Malagasy

Vaovao Tapatapany

mardi 20 novembre 2007

- Toamasina : Tomombana antsakany sy andavany ny hetsika « festival avy letchi e » izay notontosaina tao Toamasina tamin’ny faha 9-10-11 novambra teo, ka araka ny fanamarihan’ny mpikarakara dia feno ny fandaharam-potoana, ary tontosa antsakany sy andavany. Tratra ny tanjona dia ny fiaraha-mientan’ny daholobe ho amin’ny fampandrosoana ny faritra atsinanana.

=====================

- Bongolava : Tonga ao amin’ny kaominina Manambolo aoTsiroanomandidy ny fitaovam-pitaterana antsoina hoe « Hydroglisseur », karazana fiara afaka mitety lalan-dratsy, sady afaka mandeha eny ambonin’ny rano. Toerana mitoka-monina toy ity kaominina itty no mila ity karazam-pitaterana vaovao ity. Avy any Afrika no nanafaran’ny minisiteran’ny asa vaventy azy, izay voamarika fa mbola misy hafa ho avy.

=====================

- Ambalavao Isotry : Efa tamin’ny taona 2001 no niadiana teny amin’ny fitsarana ny raharaha ady tany izay nitorian’ny tera-tany karana ireo mpivarotra amin’ny trano hazo eo Ambalavao, akaikin’ny Cnaps. Nandalo fitsarana isan’ambaratongany ny raharaha ary niafara amin’ny fanesorana ny tranon’ireo mponina, ary tamin’ny faha 9 novambra no nampandrenesina ireo mponina, ary amin’izao fotoana izao dia mialokaloka eny amoron-dalana eny.

=====================

- Betroka : Ela ny ela ka voasambotry ny zandary sy ny fokonolona ihany ny lehilahy iraylehiben-dahalo mpangalatra omby any amin’ny distrikan’ny Betroka iny. Na dia efa miisa 15 eo ho eo aza ny halatra omby vitan’ity lehilahy ity dia toa afaka hatrany isaky ny miakatra fitsarana. Olona mpanankarena ao an-tanàna moa ity rangahy ity ka atahoran’ny vahoaka ho afaka amin’izao indray. Efa eo am-pelatanan’ny zandary moa ny raharaha.

=====================

- Krisimasy... Efa manomboka hita taratra ny endrika fanomanana krismasy eto an-drenivohitra izay ahitana ny firantian’ireo kilalao sy haingon-trano fampiasa amin’ny fety. Saika ireny entana ireny no miparitaka eny amoron-dàlana, eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, saingy tsikaritra fa mbola mijerijery fotsiny ny olona satria mbola tsy famoahana vola amin’izany izao.

Nangonin’i Hery A.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS