Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Malagasy

Vaovao Tapatapany

samedi 27 décembre 2008

- Nodimandry omaly ny mpisolo vava Radilophe. Olona tsy vaovao amin’ny maro teo amin’ny sehatry ny lalàna, satria isan’ny mpisolo vava mpitondra ambony teto amin’ny firenena ny lehilahy. Isan’ny niaro ny amiraly Ratsiraka farany teo izy momba ny raharaha 2002. Lehilahy nianjera tamin’ny fiaramanidina DC3 teny Ivato ihany koa ny tenany, saingy tsy maty tamin’izany fotoana, na dia namoy ny ainy avokoa aza ireo niaraka taminy.

- Rahampitso ny hamory ny mpikambana ao aminy ny antoko AKFM. Etsy Andravoahangy ambony no hanaovany izany, izay hifantoka amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mihazakazaka ny fianam-pirenena, ary tsy ho atao tompon-trano mihono amin’izany ny mpikambana rehetra, hoy ny SG ity antoko ity Rakotomanga Erick.

- Niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra omaly. Vita tokoa ny fety, ka samy nipiripirina miandry ny faran’ny taona avokoa ny rehetra. Faly ny maro, satria tsy hita firy tamin’ny làlana teto an-dRenivohitra ny fitohanan’ny fiara toy ny talohan’ny Noely teo.

- Hatreny am-balahana ny rano eny 67Ha ambadiky ny tranom-piatoahana NY HAVANA. Vokatry ny fahapotehan’ny làlana eny no mahatonga izao. Làlana efa nampitaraina ny maro hatramin’izay, saingy toa tsy misy mihaino. Mirefy eo amin’ny 2 km eo ity làlana ity, izay azo hambara fa ho afaka ny fitohanana be loatra eny an-toerana raha vita izy io.

Nangonin’i Penjy R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS