Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Hevitra

Vahaolana amin’ny vidin-tsolika

vendredi 23 novembre 2007

Hiakatra indray izany ny vidim-piainana. Toa lasa fitaovana mahomby ahazoana tombony sy hanakorotanana amin’ny fomba mihaja ny toekarena eran-tany ny solika. Raha voalaza fa ny filana mihoampampana any « Chine » sy « Inde » no mampiakatra ny vidiny, nahoana no tsy ampitomboana ny vokatra dia tsy miakatra ny vidiny ? Tsy avela ampitomboina ny fatran-tsolika vokarina satria ny « dollars » no ividianana petrola dia mitombo ny filana an’io vola io ka mitombo hoazy ny tombombarotra.

(...) Noho izany ary dia tokony mitady vahaolana isika eto Madagasikara. Ny any Sénégal dia tsy nahita vaha olana afa tsy ny fampihenana karama. Ny antsika kosa dia efa niteny ny Filoha Ravalomanana fa ny fiafiana no làlana nofidiana, tsy vaovao amintsika Malagasy izany, efa ela niafiana isika saingy tsy mbola tafavoaka ny ala hatramin’izao. Koa raha tsy maintsy hiafy ihany dia aoka hisy ny tombontsoa hoan’ny rehetra any am-parany. Tsy mana-tsafidy koa isika fa tsy maintsy miatrika. (...) izay tsy manana entana asondro-bidy no mitondra ny mavesatra. Tsy lazaina intsony ny fisondrotry ny « inflation ». Ny fepetra aroso dia izao : voalohany tsy tokony hiovaova ny vidin’ny solika eto amintsika fa tokony hitombina amin’ny vidiny voafetra ary mandritra ny fotoana maharitra. Faharoa : tsy tokony hitovitovy toy ny misy amin’izao fotoana izao ny lasantsy sy ny « gas oil ». Ny lasantsy dia ampiasaina amin’ny fiaramadinika atao hoe « tourisme », izany hoe haingitraingitra. Ny « gas oil » kosa dia herim-pamokarana mihitsy, izany hoe iankinan’ny aina. Raha izany ary dia tokony ho ferana amin’ny vidiny avo ny lasantsy, ohatra 16.000 FMG. Ny manambola Malagasy no mividy an’izany sy ny vahiny monina eto amintsika, mitovy amin’ny vidiny any aminy izany ka tsy hampaninona azy, koa raha tokony ho 12 000 fmg no ho vidiny atsihoatsy rehefa misondrotra dia mbola manana tombony 4.000 fmg isika azo avy amin’ny mpananam-bola sy vahiny.

Avy amin’io elanelam-bidy io no ampidinana ny vidin’ny « gas oil » ho 11.000 fmg .Tsy ho lany amin’izany avokoa akory ny elanelam-bidy fa mbola azo anaovana zavatra hafa ny ambimbava. Akoatra ny tombony ara-bola anefa dia mbola maro ny tombotsoa ho azo amin’izany na eo amin’ny sehatra famokaran’ny vahoaka na ny fanatsaran’ny fitaterana na koa amin’ny fanamorana ny fiatriakan’ny vidim-piainana amin’ny vahoaka. Hiena koa ny delesitazy satria tsy hiova ny vidin’ny « gas oil ». Ny tena tombontsoa goavana dia ny « stabilité » ekonomika tafiditra amin’ny
« stabilité » telo miantoka ny fahombiazan’ny tetika hifehezana ny sondrobidy ary hanatratrarana ny taha ambanin’ny folo isan-jato atsy ho atsy

Dr V.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS