Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Kaominina ambanivohitra Anjanadoria

Tsy very maina ny volan’ny filoha

lundi 18 août 2008 |  433 visites 

Efa tonga ny fanampiana avy amin’ny filohampirenena, ary manampy betsaka ny kaominina. Maro ny asa eritreretina hatao ary efa misy aza ny efa an-dalana mihitsy.

Mibahan-toerana amin’izany ny voly avotra. “Malalaka tsara ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna, Rakotoniaina Annie. Ankoatra ny 200 hektara novolena ala, dia natokana ny 20 hektara hafa hanaovana voly avotra, miaraka amin’ny vahoaka izay vonona. Tanim-panjakana io tany io, ka vatsiana masomboly ary zezika. Omena 1 hektara isan’olona. “Amin’ity taom-pambolena ity, ohatra, dia manantena ny hampakatra katsaka tsy latsaka ny 40 taonina izahay“. Ny ao Antanetibe Mahazaza dia efa lalam-barotra azo antoka noho izy be mpiompy akoho.

Mahavelon-tena ara-bary ny ao Anjanadoria. “Manondrana ihany koa izahay. Efa mbola entanina ny tantsaha hamokatra bebe kokoa mba hanatsarany ny fari-piainany. Ankoatra izay, betsaka ny rano hahafahana miompy trondro. Tetikasa iray ny hananan’ny fokontany, miisa 14, dobo iray avy ka hovatsiana amin’io volan’ny filoha io“, izy ireo.

Ao amin’ny distrika Ambohidratrimo no misy an’Anjandoria, saingy tsy lavitra an’Ankazobe. Mba hiverenana amin’ny fandriampahalemana, dia notolorana finday tsirairay avy ireo sefo fokontany hanamorana ny fifandraisana amin’ny sefon’ny borigadin’ny zandary.

Tsy misy afa-tsy CSB iray ihany ao an-toerana hatramin’izao. Nisy CSB II ihany tao, saingy rindrin-tany tany aloha ka tsy azo ampiasaina intsony. Ny 50 % n’ny vola dia hanavaozan tanteraka azy, hampanara-penitra. “Efa an-dalana rahateo ny fifanarahana amin’ny mpiara-miombona antoka, satria dia làlana 20 km be izao no hizoran’ny vehivavy hiteraka”. Mila io CSB io avokoa hatramin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza sy Mahavelona.

Misy mpianatra mandeha 10 km vao mahita toeram-pianarana. Hanampy ny kaominina ny Rotaract amin’ny fanorenana EPP vaovao.

An-dalam-panamboarana ihany koa ny làlana 16 km amin’iny RN. 4 iny. Tsy voatery ho vita tara. 32 km hafa angatahana fanarenana.

Nangonin’i R. Volana A.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS