Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 11h31
 

Malagasy

Fanomezana herinaratra

Tsy tratran’ny JIRAMA ny tanjona

vendredi 9 mai 2008 | Naivo kely |  559 visites 

Tanjona ao anatin’ny MAP ny fanomezana herinaratra ny tontolo Ambanivohitra. Ezaka izay nampetraky ny fanjakana ny hanaparitahana io herinaratra io manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Mandeha ila ny asa raha mbola ny haizina no manjaka.

  • Kivy tanteraka ny kaominina

Ambanivohitra ny mety ahazoan’izy ireo herinaratra hanazava ny faritra misy azy. Lafo ny fampidirana jiro amin’ny toerana ivelan’Antananarivo renivohitra, ary hita fa tsy maharaka ny filan’ny mpanjifa ny JIRAMA. Ny fokontany eto andrenivohitra aza dia maro no tsy ahitana herinaratra, ka zary miaina ao anatin’ny haizina ny rehetra.

Vokany dia manjaka tanteraka ny asan-jiolahy, ary tsy ho gaga isika raha maheno saika isan’andro vaky fa nisy fanafihana nataon’ireny olon-dratsy ireny manerana ny fokontany maro eto andrenivohitra sy ny manodidina. Ny tompon’andraikitry ny kaomnina dia efa nanambara fa maro ny takamoa nalefa eny anivon’ny
JIRAMA mba apetraka amin’ireny andrin-jiro eto amintsika ireny, saingy tsy mbola nisy ny famitana ny asa hatramin’izao. Asa hiandrasana an’iza indray ?
Fangatahana maro no tonga eny anivon’ity orinasa manome hazava ny tanàna ity ny hampidirana jiro ny kaominina maro, saingy tsy mbola vita izany. Ny fitaovana ve no tsy ampy sa ny herianratra hamatsiana ny mponina no tsy maharaka ? Miandry isika fa hatreto dia tsy tratran’ny JIRAMA ny tanjona hamatsiana herin’aratra ny Malagasy, na dia vonona ny handoa ny sarany lafo aza ny mponina. Sa ny fampiasana labozia isan-tokatrano no antsoina hoe faritra mivoatra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}