Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h56
 

Malagasy

Mahajanga

Tsy tanteraka ny fivoriana ny Asabotsy lasa teo

lundi 7 mai 2007 | Tsievhanta

Ireo mpitandro filaminana no nameno ny toerana saika hivorian’ireo mpanohana ny « Tsia » ny Asabotsy 5 May lasa teo. Teo akaikin’ny « Jeunesse et Sport » moa no toerana saika hanaovana fihaonana. Ireo saika hivory kosa dia nihainohaino teny lavitra teny na dia somary maromaro ihany izy ireo. Tamin’ny telo ora sy sasany no tokony nanombohan’ny fivoriana. Dila ihany io fotoana io, nefa tsy nisy fivoriana tanteraka. Ireo lohandohan’ny mpisorona kosa dia tazana nikaon-doha teny ho eny. Ny antony tsy nahatanterahan’ny fivoriana dia mbola tsy mazava loatra.

Tsiahivina aloha fa ny Asabotsy 28 Aprily lasa teo dia efa nifampitaona teo amin’io toerana io ihany ireo mpanohana ny « Tsia ». Maro ny tonga nanatrika io fotoana io. Araka ny fantatra aloha dia ny tsy fanekena ny vokam-pifidianana tamin’ny fitsampan-kevi-bahoaka farany teo no tena antony lehibe mahatonga izao fivoriana izao. Nanamafy ihany koa ireo mpitarika ny mpanohana ny « Tsia » fa tsy mila ady izy ireo ary tsy hanao fiantsiana ady amin’ny fitondrana fa mba haneho ny heviny vokatry ny tsy hafaliana tamin’ny valim-pifidianana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS