Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h28
 

Malagasy

Roland Ratsiraka

Tsy salama nefa mahazo aina !

mercredi 18 juillet 2007 | Naivo kely

Vita tanteraka ankehitriny ny fakana ambavany an’ingahy Ben’ny tanàna ao Toamasina teo aloha Roland Ratsiraka, rehefa avy nandalo ambaratongam-pahefana maro samy hafa. Tsy hidirana lalina ny fiampangana ity ben’ny tanana mpanao politika ity, fa Ambalatavoahangy aloha hatramin’izao no sakaiza tsy mahafoy azy.

Tsy mbola fantatra ny fotoana hitsarana azy, fa isan’ny nangataka ny hivoahany ny fonja vonjy maika ny mpisolo vava ity ben’ny tanana mpanao politika ity saingy nolavin’ny mpitasara. Tsy hisy ny fampiakarana azy aty andrenivohitra aloha hatreto satria manana ny fahaleovan-tenany ny fitsarana ao Toamasina. Voamarika ihany koa fa voafehy tanteraka ny filaminana ao amin’ity tanana ity. Momba ny fahasalamany kosa dia hita fa tsy salama ny lehilahy, saingy mahazo aina kosa noho ny fiheritreretany fa manana ny marina izy, ary ny fianakaviany dia mampatsiahy ny tantaran’ingahy Mandela, mpitari-tolona tatsy Afrika Atsimo, ka nomen’ny olona ny fitokisany ary nitondra ny tany sy ny fanjakana tany amin’io firenena io. Ny TTS any Toamasina raha ny vaovao omaly no asian-teny, dia miandry ny fotoam-pitsarana ny lehibeny, ary mametraka tanteraka ny fahendrena eo anoloan’ny fitsarana ny raharaha tahaka izao, saingy ho afa-po amin’ny didy ve ry zareo rehefa tonga ilay andro ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS